Fangataham-piarovana noho ny ataon'ny olona ratsy fanahy sy fetsy vava


Retour

JEHOVAH ô, vonjeo amin'ny olon-dratsy aho, Ary arovy amin'ny olon-dozabe,

2 Izay mihevitra ratsy ao am-pony Ka manangana ady isan'andro

3 Mandranitra ny lelany tahaka ny bibilava izy, Ny poizin'ny menarana no ao ambanin'ny molony.

4 Jehovah ô, vonjeo amin'ny tanan'ny ratsy fanahy aho, Ary arovy amin'ny olon-dozabe, Izay efa nihevitra handronjina ahy ho potraka.

5 Ny mpiavonavona efa nanafina fandrika sy kofehy hamandrihany ahy; Efa namela-pandrika harato teo amoron-dalana izy; Nametraka tadivavarana hahazoany ahy izy.

6 Hoy izaho tamin'i Jehovah Andriamanitro HIanao ; Henoy ny feon'ny fifonako, Jehovah ô!

7 Jehovah, Tompo ô, ry Herin'ny famonjena ahy, Manarona ny lohako amin'ny andro fiadiana HIanao .

8 Jehovah ô, aza manome ny irin'ny ratsy fanahy; Ary aza avela ho tanteraka ny hevi-dratsiny, fandrao hisandratra izy.

9 Ny lohan'izay manemitra ahy Dia aoka hosaronan'ny ratsy tononin'ny molony.

10 Aoka hisy vain'afo halatsaka aminy; Aoka hariana any anaty afo izy, na any amin'ny rano lalina, ka tsy hiarina intsony.

Numéro de page - 389

11 Tsy hampitoerina amin'ny tany ny olo-mahay vava; Henjehin-doza ny olon-dozabe ka ho lavo.

12 Fantatro fa Jehovah no handahatra ny tenin'ny mahantra Sady hanome rariny ho an'ny malahelo.

13 Eny tokoa, ny marina hisaotra ny anaranao; Hitoetra eo anatrehanao ny mahitsy

Numéro de page - 390