Fiderana an'andriamanitra noho ny famindrampony sy ny fahamarinany, izay mbola heken'ny mpanjaka rehetra


Retour

HIDERA Anao amin'ny foko rehetra aho; Eo anatrehan'ireo andriamanitra no hankalazako Anao.

2 Hivavaka manandrify ny tempolinao masina aho Ka hidera ny anaranao noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao; Fa efa nomenao voninahitra ny teninao ho ambonin'ny anaranao rehetra.

3 Tamin'ny andro nitarainako dia namaly ahy HIanao ; Nomenao fahasahiana aho ka nisy hery ny fanahiko.

4 Jehovah ô, hidera Anao ny mpanjaka rehetra amin'ny tany, Fa handre ny tenin'ny vavanao izy.

5 Eny hihira ny amin'ny lalan'i Jehovah izy; Fa lehibe ny voninahitr'i Jehovah.

6 Fa na dia avo aza Jehovah dia mijery ny ambany toetra, Ary ny mpiavonavona fantany eny lavitra eny.

Numéro de page - 386

7 Na dia handeha eo amin'ny fahoriana aza aho dia hamelona ahy HIanao ; Haninjitra ny tananao hanohitra ny fahatezeran'ny fahavalokoIanao Ary hamonjy ahy ny tananao ankavanana.

8 Jehovah no hahatanteraka ny amiko; Jehovah ô, mandrakizay ny famindram-ponao; Aza mahafoy ny asan'ny tananao.

Numéro de page - 387