TOMPO ô, mifona aminao izahay, fohazy ny herinao ka avia hamonjy anay, ary satria ny fahotanay ihany no misakana anay tsy hihezaka amin’ny fihazakazahana napetraka eo anoloanay, koa ampio amin’ny fahasoavanao sy ny famindramponao lehibe izahay ka afaho fainagna, noho ny fanavotana nataon’ny Zanakao Tomponay. Izay omem-boninahitra sy haja miaraka aminao sy ny Fanahy Masina mandrakizay Amena.