Benedictus


Retour

ISAORANA anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely: fa mitsinjo ny olony Izy ka manao fanavotana ho azy.

2. Ary nanangana tandrom-pamonjena ho antsika: amin’ny taranak’I Davida mpanompony Izy

3. Araka izay nampilazainy ny profetany masina: hatramin’ny fahagola

4. Dia famonjena antsika amin’ny fahavalontsika: sy amin’ny tànan’izay rehetra mankahala antsika

5. Manefa famindrampo amin’ny razantsika Izy: sady mahatsiaro ny fanekeny masina

6. Dia ny fianianana izay nianianany: tamin’I Abrahama razantsika

7. Hanao izay ahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra: satria afaka amin’ny fahavalontsika isika

8. Amin’ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany: amin’ny andro rehetra hiainantsika.

9. Ary hianao, ry zaza, dia hatao hoe, profetan’ny Avo Indrindra: fa hialoha eo anatrehan’ny Tompo hianao hamboatra ny làlany.

10. Hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena : amin’ny famelana ny helony

11. Noho ny halehiben’ny famindrampon’Andriamanitsika: izay niposahan’ny mazava avy any amin’ny Avo ho antsika.

12. Hamirapiratra amin’izay mipetraka ao amin’ny maizina sy ao amin’ny aloky ny fahafatesana: hanitsy ny diantsika ho amin’ny làlam-piadanana

Ho an’ny Ray sy ny Zanaka: ary ny Fanahy Masina anie ny voninahitra:

Tahaka ny hatramin’ny taloha, sy ankehitriny: ary mandrakariva, ho mandrakizay doria Amena

Numéro de page - 20