Ny hatsaran'ny tokantranon'ny olona matahotra an'andriamanitra


Retour

SAMBATRA  izay rehetra matahotra an'i Jehovah, Dia izay mandeha amin'ny lalany.

2 Fa hohaninao tokoa ny asan'ny tananao; Sambatra sady ambinina Ianao .

3 Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra Ao anatin'ny tranonao; Ny zanakao dia tahaka ny zanak'oliva Manodidina ny latabatrao.

4 Indro, fa toy izany no hitahiana Izay lehilahy matahotra an'i Jehovah.

5 Hitahy anao avy any Ziona anie Jehovah; Ary ho faly hahita ny fahasoavan'i Jerosalema anie Ianao  Amin'ny andro rehetra hiainanao.

6 Eny, hahita ny zafinao anie Ianao ; Fiadanana anie ho amin'ny Isiraely.

Numéro de page - 378