Ny faha-tsinontsinon'ny ataon'ny olona, raha tsy ambinin'andriamanitra


Retour

RAHA tsy Jehovah no manao ny trano, Dia miasa foana ny mpanao azy. Raha tsy Jehovah no miambina ny tanàna, Dia miari-tory foana ny mpiambina.

2 Zava-poana ho anareo ny mifoha maraina Sy ny alim-pandry Ka homana ny hanina azo amin'ny fahasahiranana; Izany anefa dia omeny ihany ho an'ny malalany, na dia matory aza izy.

3 Indro, lova avy amin'i Jehovah ny zanaka maro; Tamby ny ateraky ny kibo.

Numéro de page - 377

4 Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tànan'ny mahery Ny zanaky ny fahatanorana.

5 Sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin'ireny; Tsy ho menatra ireny, raha mifamaly amin'ny fahavalo eo am-bavahady.

Numéro de page - 378