Fanantenana an 'andriamanitra hanafaka amin'ny fanebahana sy ny fanamavoana


Retour

AMINAO no anandratako ny masoko, Ry Mpitoetra any an-danitra ô.

2 Indro, toy ny fijerin'ny ankizilahy Ny tanan'ny tompolahiny, Ary toy ny fijerin'ny ankizivavy Ny tanan'ny tompovaviny, No fijerintsika an'i Jehovah Andriamanitsika, Mandra-pamindra fony amintsika.

3 Mamindrà fo aminay, Jehovah ô, mamindrà fo aminay; Fa tototry ny fanamavoana loatra izahay;

4 Eny, tototry ny famingavingan'ny miadana ny fanahinay, Sy tototry ny fanamavoan'ny mpiavonavona.

Numéro de page - 375