Fitarainana ataon' ny olona miara-mitoetra amin'izay tia ady


Retour

ANDRO FAHA-27

FIVAVAHANA MARAINA

120

JEHOVAH no nitarainako tamin'ny fahoriako dia namaly ahy Izy,

2 Jehovah ô, vonjeo ny fanahiko amin'ny molotra mandainga, Eny, amin'ny lela mamitaka

3 Inona no homeny anao, ary inona koa no hataony aminao, Ry lela mamitaka?

4 Zana-tsipìkan'ny mahery sady voaranitra, Mbamin'ny vain'afon'anjavidy.

5 Lozako, fa mivahiny eto amin'ny Maseka aho Ary mitoetra ato an-dain'ny Kedarita!

Numéro de page - 373

6 Ela loatra izay no nitoeran'ny fanahiko teo amin'Izay tsy tia fihavanana.

7 Raha izaho, dia fihavanana; Kanjo nony miteny aho, dia mila ady kosa ireny.

Numéro de page - 374