FIVAVAHANA HARIVA
FONY nivoaka avy tany Egypta ny Isiraely, Dia ny taranak'i Jakoba avy tany amin'ny firenena hafa fiteny,
2 Joda no fitoerany masina, Isiraely no fanjakany.
3 Ny ranomasina nahita ka nandositra; Ary niorika Jordana.
4 Ny tendrombohitra dia nifalihavanja tahaka ny ondrilahy, Ary ny havoana tahaka ny zanak'ondry.
5 Inona izato mahazo anao, ry ranomasina, no mandositra Ianao ? Ary Ianao , ry Jordana, no miorika Ianao ?
6 Ary hianareo tendrombohitra, no mifalihavanja tahaka ny ondrilahy; Ary hianareo havoana, tahaka ny zanak'ondry?
7 Mihorohoroa eo anatrehan'ny Tompo, ry tany, Dia eo anatrehan'Andriamanitr'i Jakoba.
8 Izay mampody ny vatolampy ho rano monina Ary ny afovato ho loharano.