Ny haherezan'ny mpanjakan'i ziona, izay sady mpanjaka no mpisorona


Retour

ANDRO FAHA-23

FIVAVAHANA MARAINA

110

IZAO no lazain'i Jehovah amin'ny Tompoko: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.

2 Ny tehin'ny herinao Havoak'i Jehovah avy ao Ziona; Manapaha eo amin'ny fahavalonao HIanao .

Numéro de page - 353

3 Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin'ny andro anafihanao; Amin'ny fihaingoana masina, tahaka ny ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao.

4 Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina:Ianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka.

5 Ny Tompo eo an-kavananao Dia handripaka ny mpanjaka maro amin'ny andron'ny fahatezerany

6 Hitsara any amin'ny jentilisa Izy ka hampiampatrampatra faty any; Handripaka loholona any amin'ny tany malalaka Izy.

7 Hisotro amin'ny ony any an-dalana Izy, Ka izany no hitrakan'ny lohany.

Numéro de page - 354