TOMPO Isaorana ô, Hianao efa nampanoratra ny Soratra Masina rehetra ho fianaranay: Aoka mba hihaino sy hamaky sy hianatra ary handinika azy tsara izahay, ary aoka ny faharetana sy ny fampiononan’ny Teninao Masina no hitananany mafy ny fanantenana ny fiainana mandrakizay efa nomenao anay; amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjy anay. Amena.