Fiderana an'andriamanitra, mpamorona sy mpiahy izao rehetra izao


Retour

FIVAVAHANA HARIVA

104

MISAORA an'i Jehovah, ry fanahiko. Jehovah Andriamanitro ô, lehibe indrindra HIanao , Famirapiratana sy voninahitra no fitafinao,

2 Mitafy ny mazava tahaka ny lamba Izy Ary mamelatra ny lanitra tahaka ny lay,

Numéro de page - 338

3 Ary mametraka ny rairain-drihan'ny tranony amin'ny rano, Sady manao ny rahona matevina ho kalesiny ka mandeha amin'ny elatry ny rivotra,

4 Ary manao ny rivotra ho irany Sy ny lelafo ho mpanompony.

5 Nanorina ny tany tambonin'ny fanorenany Izy, Mba tsy hihetseha-ny mandrakizay doria.

6 Ny rano lalina no nasaronao azy tahaka ny lamba; Nandifotra ny tendrombohitra aza ireny.

7 Noho ny teny mafy nataonao dia nandositra ny tendrombohitra, Noho ny feon'ny kotrokoranao dia nirifatra izy

8 Nisondrotra ny tendrombohitra, nietry ny lohasaha ho any amin'izay namboarinao hitoerany.

9 Efa nasIanao  fetra tsy hihoarany izy Mba tsy hiverina hanarona ny tany.

10 Mampandeha loharano eny amin'ny lohasaha Izy; Eny anelanelan'ny tendrombohitra no alehan'ireny,

11 Ka isotroan'ny bibi-dia rehetra, Sy analan'ny boriki-dia ny hetahetany;

12 Eo amboniny no itoeran'ny voro-manidina; Ary eo amin'ny ran-tsan-kazo no anenoany.

13 Manondra-drano ny tendrombohitra avy amin'ny tranony ambony Izy; Ny vokatry ny asanao no mahavoky ny tany.

14 Mampaniry ahitra ho an'ny biby fiompy Izy Sy anana hahasoa ny olona. Ary mamoaka hanina avy amin'ny tany.

15 Ary divay izay mampifaly ny olona, ka mampinendonendo ny tavany mihoatra noho ny diloilo, Ary mofo hanohanana ny ain'ny olona.

16 Voky ny hazon'i Jehovah, Dia ny sederan'i Libanona, izay namboleny;

17 Izay anaovan'ny voron-kely ny akaniny; Ary ny vano, dia ao amin'ny kypreso no anaovany ny tranony.

Numéro de page - 339

18 Ny tendrombohitra avo dia ho an'ny osi-dia; Ny harambato no fiarovana ho an'ny hyraka.

19 Nanao ny volana ho fotoana Izy, Ary ny masoandro mahalala ny filentehany.

20 Mahatonga aizina HIanao , dia tonga ny alina, Ka mivezivezy ny biby rehetra any an'ala;

21 Ny liona tanora mierona maniry toha Ka mitady ny haniny avy amin'Andriamanitra.

22 Miposaka ny masoandro, dia miverina ireny, Ary ao an-davany no amitsahany.

23 Fa ny olona kosa mivoaka ho any amin'ny taozavany, Sy ny asany mandra-paharivan'ny andro.

24 Endrey ny hamaroan'ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Henika ny zavatra nataonao ny tany.

25 Indro ny ranomasina sady lehibe no malalaka, Any no misy zava-mihetsiketsika tsy tambo isaina, Dia zava-miaina, na kely na lehibe.

26 Any no alehan'ny sambo Sy ny trozona, izay noforoninao hilaolao any.

27 Ireo rehetra ireo miandry Anao, Mba homenao ny haniny amin'ny fotoany.

28 Manome HIanao , dia manangona izy; Manokatra ny tananao HIanao , dia voky ny soa izy;

29 Manafina ny tavanao HIanao , dia raiki-tahotra izy; Alainao indray ny ainy, dia maty izy Ka mody any amin'ny vovoka nanalana azy,

30 Maniraka ny Fanahinao HIanao , dia ary izy, Ary manavao ny tarehin'ny tany HIanao .

31 Ho mandrakizay anie ny voninahitr'i Jehovah; Aoka Jehovah hifaly amin'ny asany.

32 Jereny ny tany, dia mihorohoro; Tendren'ny tànany ny tendrombohitra, dia midonaka.

Numéro de page - 340

33 Hihira ho an'i Jehovah aho, raha mbola velona koa; Hankalaza an'Andriamanitro aho, raha mbola miaina.

34 Ho maminy anie ny fisainako Azy; Izaho no hifaly amin'i Jehovah.

35 Ho lany ringana tsy ho etỳ amin'ny tany ny mpanota, Ary ny ratsy fanahy tsy ho etỳ intsony. Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko. Haleloia.

Numéro de page - 341

ANDRO FAHA-21

FIVAVAHANA MARAINA

105

Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ataovy fantatra any amin'ny firenena ny asany.

2 Mihirà ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.

3 Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina; Aoka hifaly ny fon'izay mitady an'i Jehovah.

4 Mitadiava an'i Jehovah sy ny heriny Katsaho mandrakariva ny tavany.

5 Tsarovy ny asa mahagaga natao-ny Dia ny fahagagany sy ny fitsaran'ny vavany,

6 Ry taranak'i Abrahama mpanom-pony, Dia hianareo olom-boafidiny, taranak'i Jakoba.

7 Jehovah, Izy no Andriamanitsika; Manerana ny tany rehetra ny fitsarany.

8 Mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay Izy, Dia ilay teny izay voadidiny ho an'ny taranaka arivo mandimby,

9 Eny, ilay nataony tamin'i Abrahama, Sy ny fianianany tamin'Isaka;

Numéro de page - 341

10 Izay naoriny ho lalana ho an'i Jakoba, Sy ho fanekena mandrakizay ho an'Isiraely,

11 Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana, Ho lovanareo voazara amin'ny famolaina,

12 Fony mbola olom-bitsy izy, Eny, vitsy sady vahiny tao,

13 Ary nifindrafindra tany amin'ny firenena, Sy nifindrafindra fanjakana ho amin'ny firenen-kafa,

14 Tsy nisy navelany hampahory azy, Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin'ireo hoe:

15 Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko.

16 Dia niantso ny mosary ho amin'ny tany Izy; Notapahiny avokoa ny mofo rehetra, izay tohan'aina;

17 Naniraka lehilahy hialoha azy Izy; Josefa namidy ho andevo;

18 Nampijaliny tamin'ny fatorana ny tongony; Nogadrany vy izy.

19 Mandra-pahatongan'ny fotoana hahatanterahan'ny teniny; Nizaha toetra azy ny tenin'i Jehovah.

20 Naniraka ny mpanjaka hamaha azy, Eny, ny mpanapaka ny vahoaka, mba handefa azy.

21 Nanao azy ho tompon'ny tranony izy Sy ho mpanapaka ny fananany rehetra,

22 Mba hamatotra ny mpanapaka araka ny sitrapony, Sy hampianatra fahendrena ny loholony.

23 Ary Isiraely nankany Egypta; Eny, Jakoba nivahiny tany amin'ny tanin'i Hama.

24 Dia nahamaro ny taranaky ny olony ho be indrindra Izy ka nampahery azy noho ny fahavalony.

25 Nampiova ny fon'ireny hankahala ny olony Izy Sy hihendry ny mpanompony.

26 Naniraka an'i Mosesy mpanompony Sy Arona izay nofidiny Izy.

Numéro de page - 342

27 Ary izy ireo nanao ny famantarany teo aminy Sy fahagagana tany amin'ny tanin'i Hama.

28 Nahatonga aizina Izy ka nahamaizina; Ary tsy nandà ny teniny izy ireo.

29 Nahatonga ny ranony ho rà Izy Ka nahafaty ny hazandranony.

30 Nisy sahona betsaka ny taniny, Eny, na dia hatrao an-trano fandrian'ny mpanjakany aza.

31 Niteny Izy, dia tonga ny lalitra betsaka Sy ny moka teny amin'ny faritaniny rehetra.]

32 Nahatonga havandra ho solon'ny ranonorana Izy Sy afo midedadeda teny amin'ny taniny.

33 Namely ny voalobony sy ny aviaviny Izy Ka nanapatapaka ny hazo teo amin'ny taniny.

34 Niteny Izy, dia tonga ny valala Sy ny sompanga tsy hita isa;

35 Dia nihinana ny zava-maitso rehetra teny amin'ny taniny ireny Ka nandany ny vokatry ny taniny.

36 Ary namely ny lahimatoa rehetra tany amin'ny taniny Izy, Dia ny voalohan'ainy rehetra.

37 Ary dia nitondra ny olony nivoaka Izy sady nampahazo azy volafotsy sy volamena; Ary tsy nisy nangozohozo na dia iray akory aza tamin'ny fireneny.

38 Faly Egypta tamin'ny nahalasanany; Fa efa nahazo azy ny fahatahorana ireo.

39 Namelatra rahona ho fialokalofana Izy Ary afo ho fanazavana nony alina.

40 Nangataka izy ireo, dia nahatonga papelika Izy, Ary mofon-danitra no namokisany azy.

41 Nanokatra ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano Ka nandriaka tamin'ny tany maina ho renirano.

42 Fa nahatsiaro ny teniny masina Sy Abrahama mpanompony Izy,

43 Dia nitondra ny olony nivoaka tamin'ny fifaliana Izy Ary ny voafidiny tamin'ny fihobiana;

Numéro de page - 343