Fikasan'ny mpanjaka ny amin'ny hitondrany marina ny fanjakany


Retour

FAMINDRAM-PO sy fitsarana no hankalazaiko; HIanao , Jehovah ô, no hoderaiko.

2 Hitandrina ny lalana marina aho; Rahoviana no ho tonga atỳ amiko HIanao ? Handeha amin'ny fahitsian'ny foko ao anatin'ny tranoko aho.

3 Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan'ny masoko aho; Halako ny mivadika, Tsy hikambana amiko izany.

4 Ny fo maditra hiala amiko; Tsy hankasitraka* iza ratsy aho,[Heb. hahalala]

5 Izay manendrikendrika ny namany mangingina dia hofongorako; Tsy tohako izay miandranandrana sy miavonavona am-po;

6 Ny masoko hijery izay olo-mahatoky amin'ny tany mba hitoerany ato amiko; Izay mandeha amin'ny lalana marina no hanompo ahy.

7 Tsy mba hitoetra ao anatin'ny tranoko izay manao fitaka; Tsy mba hijanona eo anoloan'ny masoko izay milaza lainga.

8 Haringako isa-maraina ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany, Mba hofongorako ny mpanao ratsy rehetra tsy ho ao an-tanànan'i Jehovah.

Numéro de page - 334