ANDRIAMANITRA Tsitoha ô, omeo fahasoavana izahay, mba hanarianay ny asan’ny maizina sy hitafianay ny fiadian’ny mazava amin’izao fiainana mandalo izao, izay nahatongavan’I Jesoa Kristy Zanakao tamin’ny fanetren-tena lehibe ho any aminay, mba hitsangananay ho velona mandrakizay amin’ny andro farany, izay hihaviany indray amin’ny fiandrianany be voninahitra hitsara ny velona sy maty; amin’ny alaln’I Jesoa Kristy Tomponay. Izay miara-belona sy miara-manjaka aminao sy ny Fanahy Masina ankehitriny sy mandrakizay Amena