Ny fisehoan'ny fanjakan'andriamanitra amin'ny hery, izay maharava ny sampy, fa mahasoa ny mpanompon'andriamanitra kosa


Retour

JEHOVAH no Mpanjaka, aoka ho faly ny tany; Aoka ho ravoravo ny nosy maro.

2 Rahona sy aizim-pito no manodidina Azy Fahamarinana sy fitsarana no fanorenan'ny seza fiandrianany.

3 Misy afo mialoha Azy ka mandevona ny fahavalony manodidina.

4 Mahazava izao tontolo izao ny helany; Mahita izany ny tany ka mihorohoro.

5 Ny tendrombohitra miempo tahaka ny savoka eo anatrehan'i Jehovah, Dia eo anatrehan'ny Tompon'ny tany rehetra.

6 Ny lanitra maneho ny fahamarinany, Ary ny firenena rehetra mahita ny voninahiny.

7 Aoka ho menatra izay rehetra manompo sarin-javatra voasokitra sy miarahaba tena ny amin'ny andriamani-tsi-izy; Miankohofa eo anoloan'i Jehovah hianareo andriamanitra rehetra.

8 Ziona mandre ka faly; Ary ravoravo ny zanakavavin'i Joda Noho ny fitsaranao, Jehovah ô.

9 Fa HIanao , Jehovah ô, no avo indrindra ambonin'ny tany rehetra; Efa avo ambonin'ny andriamanitra rehetra HIanao .

10 Hianareo izay tia an'i Jehovah, mankahalà ny ratsy; Miaro ny fanahin'ny olony masina Izy Ary mamonjy azy amin'ny tanan'ny ratsy fanahy.

Numéro de page - 331

11 Ny fahazavana no voafafy ho an'ny marina, Ary ny fifafiana ho an'ny mahitsy fo.

12 Mifalia amin'i Jehovah, ry olo-marina, Ary miderà ny anarany masina.

Numéro de page - 332