TOMPO ô, atreho amin’ny famindramponao ny fivavahanay, ary tariho lalàna izahay mpanomponao, mba hahazoanay famonjena mandrakizay; ary aoka mba harovan’ny fanampianao mahasoa indrindra izahay amin’ny fiovaovana rehetra izay manjo anay amin’izao fiainana mandalo izao; amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay Amena.
TOMPO Tsitoha sy Andriamanitra mandrakizay ô, mifona aminao izahay, aoka ho sitrakao hitondra sy hanamasina ary hanapaka ny fonay sy ny tenanay amin’ny làlan’ny lalànao sy amin’ny fankatoavanay ny didinao; mba harovan’ny herinao tsitoha ny tenanay sy ny fanahinay, ankehitriny sy mandrakizay; amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay sady mpamonjy anay Amena
ANDRIAMANITRA Tsitoha ô, mifona aminao izahay, aoka ny teny izay efa ren’ny sofinay androany halatsaky ny fahasoavanao ao am-ponay, mba hahavokatra fitondran-tena tsara aminay ho lazanao sy ho voninahitry ny Anarano; amin’ny alaln’i Jesoa Kristy Tomponay Amena
TOMPO ô, aoka ny fitiavanao mahasoa indrindra no hialoha sy hampandroso anay mandrakariva; ka aoka izay rehetra atombokay no hotanterahinay ao aminao, mba ho lazanao sy ho voninahitrao, sy hahazoanay fiainana mandrakizay amin’ny farany, noho ny famindramponao; amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay Amena
ANDRIAMANITRA Tsitoha, loharanon’ny fahendrena rehetra ô, Hianao mahalala ny fahantranay na dia tsy mbola mangataka aza izahay, sy ny tsi-fahalalanay raha mangataka. Koa mifona aminao izahay, mamindra fo amin’ny fahalemenay, ary aoka ho sitrakao hanome anay izay zavatra tsy sahinay angatahina noho ny tsy-fahamendrehanay, ary izay tsy hainay angatahina noho ny tsi-fahalalanay; amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao sady Tomponay Amena.
ANDRIAMANITRA Tsitoha ô, Hianao efa nilaza fa hihaino ny vavaka atao amin’ny Anaran’ny Zanakao. Koa mifona aminao izahay, atongilano ny sofinao hihaino ny vavaka sy ny fifonana izay vao nataonay; ary aoka izay rehetra nangatahinay tamin’ny finoana araka ny sitraponao mba ho azonay tokoa ho fampiononana anay sy ho fanehoana ny voninahitrao; amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay Amena