Vavaka nataon'izay nasian'ny fahoriana mafy ka toa foin'andriamanitra


Retour

JEHOVAH ô, Andriamanitry ny famonjena ahy, Andro aman'alina no itarainako eo anatrehanao;

2 Aoka ny fivavako ho tonga eo anatrehanao; Atongilano amin'ny fitarainako ny sofinao;

3 Fa diboka ny fahoriana ny fanahiko; Ary ny aiko manakaiky ny fiainan-tsi-hita.

4 Natao ho isan'izay midina any an-davaka aho Ary efa tahaka izay tsy manan-kery;

5 Efa nafoy ho any amin'ny maty aho, Tahaka izay voavono, mandry ao am-pasana, Izay tsy tsarovanao intsony, Fa voafongotry ny tananao.

6 Efa nametraka ahy any an-davaka ambany indrindra HIanao , Ao amin'ny maizina, dia ao amin'ny lalina.

7 Ny fahatezeranao manindry ahy mafy, Ary ny alon-dranonao rehetra azeranao amiko.

8 Efa nampanalavirinao ahy ny olona nahazatra ahy; Efa nataonao. fahavetavetana eo imasony aho; Voahidy aho ka tsy afa-mivoaka.

9 Ny masoko efa pahina noho ny fahoriana; Jehovah ô, miantso Anao isan'andro aho, Mamefy tanana aminao aho.

10 Haneho fahagagana amin'ny maty va HIanao ? Ny matoatoa va no hitsangana hidera Anao?

11 Hotorina any am-pasana va ny famindram-ponao, Ary ny fahamarinanao any amin'ny fandringanana?

Numéro de page - 318

12 Ho fantatra ao amin'ny maizina va ny fahagagana ataonao, Ary ny fahamarinanao ao amin'ny tany fanadinoana?

13 Fa raha izaho, diaIanao no itarainako, Jehovah ô; Ary ny fivavako tonga eo anatrehanao nony maraina.

14 Jehovah ô, nahoana no manary ny fanahikoIanao Ka manafina ny tavanao amiko?

15 Ory aho ka efa ho faty hatramin'ny fahazazako; Raha itambesa-ran'ny fampitahoranao aho, dia very hevitra;

16 Manafotra ahy ny fahatezeranao; Matin'ny fampitahoranao aho;

17 Mandifotra ahy mandrakariva tahaka ny rano ireny; Miara-manodidina ahy izy.

18 Efa nampanalavirinao ahy ny olona tia ahy sy ny sakaizako; Ireo nahazatra ahy dia fahamaizinana.

Numéro de page - 319