Vavaka nataon'ny mpanompon'andriamanitra, fony nenjehin'ny mpirehareha izy


Retour

ANDRO FAHA-17

FIVAVAHANA MARAINA

86

ATONGILANO ny sofinao, Jehovah ô, ka valio aho, Fa ory sy malahelo.

2 Arovy ny fanahiko, fa masina aho; Andriamanitro ô, vonjeo ny mpanomponao, Izay matoky Anao.

3 Tompo ô, mamindrà fo amiko; FaIanao no itarainako mandrakariva.

4 Ampifalio ny fanahin'ny mpanomponao; Fa HIanao , Tompo ô, no ananganako ny fanahiko.

5 Fa HIanao , Tompo ô, no tsara sady mamela heloka Ary be famindram-po amin'izay rehetra miantso Anao.

6 Mandrenesa ny fivavako, Jehovah ô, Ary henoy ny feon'ny fifonako.

7 Amin'ny andro fahoriako dia miantso Anao aho, Fa mamaly ahy HIanao .

8 Tsy misy tahaka Anao, Tompo ô, amin'ireo andriamanitra; Ary tsy misy tahaka ny asanao.

9 Ny firenena rehetra nataonao dia ho avy hiankohoka eo anatrehanao, Tompo ô, Ka hanome voninahitra ny anaranao.

Numéro de page - 316

10 Fa lehibeIanao ka manao zava-mahagaga;Ianao irery ihany no Andriamanitra.

11 Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô, Dia handeha amin'ny fahamarinanao aho; Ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao.

12 Hidera Anao amin'ny foko rehetra aho, Andriamanitro Tompo ô Hanome voninahitra ny anaranao mandrakizay aho.

13 Fa lehibe ny famindram-ponao amiko; Ary efa novonjenao ny fanahiko tsy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ambany indrindra.

14 Andriamanitra ô, ny mpirehareha mitsangana hanohitra ahy, Ary ny antokon'ny lozabe mitady ny aiko; Ary tsy mba heveriny fa eo anatrehany HIanao .

15 Fa HIanao , Tompo ô, dia Andriamanitra mamindrà fo sy miantra, Mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana.

16 Todiho aho ka amindrao fo; Omeo ny herinao ny mpanomponao, Ary vonjeo ny zanaky ny ankizivavinao.

17 Anehoy famantarana ny ho soa aho, Mba ho hitan'izay mankahala ahy, ka ho menatra izy; FaIanao Jehovah ô, no namonjy sy nampionona ahy.

Numéro de page - 317