Fangatahana mba hampodin'andriamanitra indray ny fankasitrahany ny olony


Retour

JEHOVAH ô, efa naneho fitia tamin'ny taninao HIanao , Efa nampodinao Jakoba avy tamin'ny fahababoany.

2 Voaisotrao ny heloky ny olonao, Voasaronao ny fahotany rehetra.

3 Efa nampijanona ny fahatezeranao rehetra HIanao , Ary niala tamin'ny fahatezeranao mirehitra.

4 Miverena aminay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, Ary ampitsaharo ny fahatezeranao aminay.

5 Ho tezitra aminay mandrakizay va HIanao ? Hampaharetinao hahatratra ny taranaka fara mandimby va ny fahatezeranao?

6 Tsy hovelominao indray va izahay, Mba hifalian'ny olonao aminao?

7 Asehoy anay ny famindram-ponao, Jehovah ô, Ka omeo anay ny famonjenao.

8 Hihaino izay holazain'i Jehovah Andriamanitra aho; Fa hilaza fiadanana amin'ny olony Izy, dia amin'ny olony masina; Koa aoka tsy hiverina ho ao amin'ny fahadalana ireo.

9 Eny tokoa, akaikin'izay matahotra Azy ny famonjeny, Mba hitoeran'ny voninahitra eo amin'ny tanintsika.

Numéro de page - 316

10 Mihaona ny famindram-po sy ny fahamarinana; Mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana.

11 Ny fahamarinana mitsimoka amin'ny tany; Ary ny rariny mitsinjo eny an-danitra.

12 Eny, Jehovah hanome ny tsara Ary ny tanintsika hahavoka-javatra.

13 Ny rariny no hialoha Azy, Sady hizotra hanaraka ny diany eny an-dalana.

Numéro de page - 316