Alahelo ny tranon'andriamanitra


Retour

ENDREY ny hatsaran'ny tabernakelinao, Jehovah, Tompon'ny maro, ô!

2 Manina sady vonton'alahelo ny kianjan'i Jehovah ny fanahiko; ny foko sy ny nofoko mihoby an'Andriamanitra velona.

3 Eny, ny tsikirity mahita trano, ary ny sidintsidina mahita akany ho azy hametrahany ny zanany. Dia ny alitaranao, Jehovah, Tompon'ny maro ô, Mpanjakako sy Andriamanitro.

4 Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao; hidera Anao mandrakariva izy.

5 Sambatra izay olona manan-kery avy aminao; ao am-pony ny lalana;

6 Raha mandeha mamaky ny lohasaha Baka izy, Dia ataony misy loharano izany, ary ny loha-orana manarom-pitahiana azy.

7 Miampy hery eny am-pandehanana izy; samy miseho eo anatrehan'Andriamanitra any Ziona izy rehetra.

8 Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, henoy ny fivavako; mandrenesa ry Andriamanitr'i Jakoba ô.

9 Andriamanitra, Ampinganay ô, tsinjovy ka jereo ny tavan'ny voahosotrao.

10 Fa ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo; aleoko mipetraka eo amin'ny tokonam-baravaran'ny tranon'Andriamanitra, toy izay mitoetra ao an-dain'ny ratsy fanahy.

Numéro de page - 314

11 Fa Masoandro sy Ampinga Jehovah Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen'i Jehovah; tsy hiaro zava-tsoa amin'izay mandeha amin'ny fahitsiana izy.

12 Jehovah, Tompon'ny maro ô, sambatra izay olona matoky Anao.

Numéro de page - 315