FIVAVAHANA HARIVA
ANDRIAMANITRA dia eo amin'ny fiangonan'Andriamanitra; ary eo amin'ireo andriamanitra no itsarany.
2 Mandra-pahoviana no hitsarànareo tsy marina ka ihenaranareo maso ny ratsy fanahy?
3 Alaharo ny tenin'ny mahantra sy ny kamboty; omeo rariny ny ory sy ny malahelo;
4 Vonjeo ny mahantra sy ny malahelo; afaho amin'ny tanan'ny ratsy fanahy izy.
5 Tsy mahalala na mahazo an-tsaina ireny; ao amin'ny maizina no andehanany; mihorohoro ny fanambanin'ny tany rehetra.
6 Hoy izaho: Andriamanitra hianareo, ary zanaky ny Avo Indrindra hianareo rehetra;
7 Kanjo ho faty tahaka ny olona ihany hianareo, ary samy ho lavo tahaka ny anankiray amin'ny lehibe.
8 Mitsangàna, Andriamanitra ô, tsarao ny tany; faIanao no handova ny firenena rehetra.
ANDRIAMANITRA ô, aza mangina; aza mihombom-bava HIanao , ary aza mamitsaka, Andriamanitra ô.
2 Fa, indro, mitabataba ny fahavalonao; ary izay mankahala Anao dia manandratra ny lohany.
3 Ny olonao no iokoany amin'ny hafetsena; ary miara-misaina hamely izay voafinao izy.
4 Hoy izy: Avia, ka andeha hofongorantsika tsy ho firenena izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anaran'Isiraely.
5 Fa efa niray tetika tokoa ireo, ka nanao fanekena hanohitra Anao,
6 Dia ny lain'ny Edomita sy ny Isimaelita, ny Moabita sy ny Hagarita,
7 Ny Gebalita sy ny Amonita ary ny Amalekita, ny Filistina mbamin'ny mponina any Tyro.
8 Ny Asyriana koa nikambana taminy; tonga sandrin'ny taranak'i Lota ireo.
9 Ataovy tahaka ny Midiana izy, ary tahaka an'i Sisera sy Jabina teo amin'ny ony Kisona;
10 Maty tany En-dora ireo; tonga zeziky ny tany izy.
11 Ataovy tahaka an'i Oreba sy Zeba ny mpanapaka azy. Eny, ny andrianany rehetra dia ataovy tahaka an'i Zebaha sy Zaimona,
12 Izay nanao hoe: aoka halaintsika ho antsika ny fonenan'Andriamanitra.
13 Andriamanitro ô, ataovy tahaka ny tadio ireo, dia tahaka ny akofa entin'ny rivotra,
14 Tahaka ny afo mandoro ala sy tahaka ny lelafo mampirehitra tendrombohitra;
15 Aoka ho toy izany no anafotofotoanao azy amin'ny tadionao, sy ampahatahoranao azy amin'ny tafio-drivotrao.
16 Sarony henatra ny tavany, mba hitadiavany ny anaranao, Jehovah ô.
17 Aoka ho menatra sy ho amin-tahotra mandrakizay izy; eny, aoka hangaihay sy haringana izy.
18 Ary aoka ho fantany faIanao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no ilay Avo Indrindra ambonin'ny tany rehetra.