Fivavahana ho an'ny israely, voalobok'i jehovah


Retour

RY Mpiandry ny Isiraely ô, mihainoa,Ianao Izay mitondra an'i Josefa toy ny ondry; HIanao , Izay mipetraka amin'ny kerobima, mamirapiratra.

2 Fohazy ny herinao eo anoloan'i Efraima sy Benjamina ary Manase, ka avia hamonjy anay.

3 Andriamanitra ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny Tavanao, ary aoka hovonjena izahay.

Numéro de page - 309

4 Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, mandra-pahoviana no hanetroka amin'ny fivavaky ny olonao ny fahatezeranao?

5 Mampihinana azy mofo len-dranomaso HIanao , ary mampisotro azy ranomaso tovozina.

6 Ataonao ho fifandirana amin'ny mifanila fonenana aminay izahay; ary ny fahavalonay mifaly handatsa.

7 Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena izahay.

8 Nisy voaloboka nafindranao avy tany Egypta; nandroaka ny jentilisaIanao ka namboly azy kosa.

9 Nitevy teo alohany HIanao , dia namaka lalina izy ka nameno ny tany.

10 Nanaloka ny tendrombohitra ny alokalony, ary ny sampany nanaloka ny sedera andrian-kazo.

11 Nampisandrahaka ny rantsany hatramin'ny ranomasina izy, ary ny sakeliny hatramin'ny Ony.

12 Nahoana no noravànao ny fefiny ka anotazan'izay rehetra mandalo eny an-dalana izy?

13 Ny lambo avy any an'ala mitrongy azy; ary izay bibi-dia any an-tsaha mandàny azy.

14 Ry Andriamanitry ny maro ô, miverena, ka tsilovy any an-danitra, ary jereo, ka vangio ity voaloboka ity.

15 Arovy izay nambolen'ny tananao ankavanana sy ny zanaka izay nampaherezinao ho Anao.

16 Voadotry ny afo izy sady voakapa; fongotry ny fananaran'ny tavanao izy.

17 Aoka ny tananao ho amin'ny lehilahin'ny tananao ankavanana, dia amin'ny zanak'olombelona izay nampaherezinao ho Anao.

18 Dia tsy hihemotra hiala aminao izahay; velomy izahay, dia hiantso ny anaranao.

Numéro de page - 310

19 Ry Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay; ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena Izahay.

Numéro de page - 311