Voninahitra ho an’andriamanitra amin’ny avo indrindra


Retour

VONINAHITRA ho an’Andriamanitra amin’ny avo indrindra, ary fiadanana ho ambonin’ny tany, ary fankasitrahana ho an’ny olona anie. Midera Anao izahay

Numéro de page - 82

misaotra Anao izahay, mitsaoka Anao izahay, mankalaza Anao izahay, misaotra Anao izahay noho ny voninahitrao lehibe izahay, Andriamanitra Tompo ô, Mpanjaka any an-danitra, Andriamanitra Ray Tsitoha.

Tompo ô, Jesoa Kristy Zanaka-lahy Tokana Andriamanitra Tompo ô, Zanak’ondrin’Andriamanitra, zanaky ny Ray, Izay manaisotra izao tontolo izao, mamindrà fo aminay. Hianao Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao, mamindrà fo aminay, Hianao izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao raiso ny fivavahanay. Hianao Izay mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra Ray, mamindrà fo aminay.

Fa Hianao irery ihany no masina: Hianao irery ihany no Tompo: Hianao irery ihany, Kristy ô mbamin’ny Fanahy Masina, no avo indrindra amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray, Amena

Dia hampirava azy amin’izao tso-drano izao ny Presbytera (na ny Eveka raha eo izy):

NY fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo anie ao amin’ny fahalalana sy ny fitiavana an’Andriamanitra sy Jesoa Kristy Zanany Tompontsika; ary ny fitahian’Andriamanitra Tsitoha, Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, ho aminareo anie ary hitoetra aminareo anie mandrakariva. Amena

Ary raha sendra tsy misy Komoniona, ka efa vita ny fandatsahan-drakitra, dia mety raha atao ny anankiray na mihoatra noho izany amin’ireto Kolekta ireto. Ary azo atao koa ireto, rehefa vita ny Kolekta amin’ny Fivavahana Maraina sy Hariva, na amin’ny Komoniona, na amin’ny Litany.

Numéro de page - 83