Fiderana an'andriamanitra noho ny nisehoan'ny fitsarany marina


Retour

ANDRIAMANITRA dia fantatra eo amin'ny Joda; malaza eo amin'ny Isiraely ny anarany;

2 Naoriny ao Salema ny tranolainy, ary any Ziona ny fonenany

Numéro de page - 300

3 Teo no nanapatapahany ny zana-tsipìka manelatra, sy ny ampinga sy ny sabatra ary ny fiadiana.

4 MamirapiratraIanao sady be voninahitra miseho avy any amin'ny tendrombohitra fitohàna.

5 Voababo ny mahery fo; renoky ny torimasony izy; ary samy ankona tsy nahahetsika* ny tànany avokoa ny olo-mahery rehetra.

6 Noho ny teny mafy nataonao, ry Andriamanitr'i Jakoba, dia sondrian-tory ny kalesy sy ny soavaly.

7Ianao no mahatahotra; ka iza no mahajanona eo anatrehanao, rehefa miseho ny fahatezeranao?

8 Avy tany an-danitra no nampandrenesanao fitsaràna. Raiki-tahotra ny tany ka sina,

9 Raha nitsangana hitsara Andriamanitra mba hamonjy ny mpandefitra rehetra ambonin'ny tany.

10 Fa ny fahatezeran'ny olona hidera Anao tokoa; ny fahatezerana sisa dia isikinanao.

11 Mivoadia, ka efao ny voadinareo amin'i Jehovah Andriamanitrareo; aoka izay rehetra manodidina Azy hitondra fanatitra ho an'Izay mahatahotra.

12 Manapaka ny reharehan'ny lehibe Izy sady tahotry ny mpanjakan'ny tany.

Numéro de page - 301