Fangataham-pamonjena


Retour

ANDRIAMANITRA ô, faingàna hanafaka ahy; Jehovah ô, faingàna hamonjy ahy.

2 Aoka ho menatra sy hangaihay izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy ho afa-baraka izay faly amin'ny manjo ahy;

3 Aoka hiamboho noho ny fahamenarany izay manao hoe: Hià! sakoa izay!

4 Aoka hifaly sy ho ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao; ary aoka izay tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Andriamanitra.

5 Fa izaho dia ory sy malahelo; faingàna hankatỳ amiko, Andriamanitra ô; Mpamonjy sy  Mpanafaka ahy HIanao ; aza ela, Jehovah ô.

Numéro de page - 292