Fivavahana fanamasinana


Retour

Ary rehefa vita ny anankiray amin’ireo Sasinteny ireo, dia toriana na hotononina izao:

ARY noho izany dia miara-misaotra sy mankalaza ny Anaranao malaza izahay mbamin’ny Anjely sy ny Arkanjely ary ireo marobe any an-danitra, ka midera Anao mandrakariva hoe:

(dia hotononin’ny mpiangona rehetra na hohirainy izao)

Masina, masina, masina ry Tompo Andriamanitry ny maro, manerana ny lanitra sy ny tany ny voninahitrao: Ho Anao anie ny voninahitra, ry Tompo avo indrindra ô, Amena

Isaorana anie Izay avy amin’ny Anaran’I Jehovah. Hosana amin’ny Avo indrindra

Rehefa namboarin’ny Persbytera mitsangana manatrika ny alitara ny Mofo sy ny Divay, hamakiany ny Mofo eo anatrehan’ny olona sy handraisany ny kapoaka amim-panajana dia hanao izao Fivavahana Fanamasinana izao izy:

VONINAHITRA ho Anao, Andriamanitra Tsitoha, Rainay any an-danitra ô, noho ny famindramponao lehibe tamin’ny nanomezanao an’i Jesoa Kristy Zanakao-lahy Tokana hiaritra fahafatesana tamin’ny Hazo Fijaliana ho fanavotana anay; fa teo no nanaovany fanalam-boady sy fanatitra ary onitra ampy sy tanteraka ary sahaza noho ny fahotan’izao tontolo izao tamin’ny nanolorany ny Tenany izay naterina indray mandeha; ary koa nanendry ny fahatsiarovana ny Nahafatesany soa indrindra Izy sady nandidy anay ao amin’ny Filazantsarany masina hampaharitra izany mandra-pihaviny indray.

Numéro de page - 78

Tamin’ilay alina namadihana Azy dia nandray Mofo Izy; ary rehefa nisaotra Izy (Eto no horaisin’ny Presbyter a ny Lovia) dia novakiany, ary nomeny ny mpianany, ka nataony hoe: Raiso, hano*** Ity no tenako Izay omena ho anareo: Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. Ary toy izany koa rehefa vita ny sakafo dia nandray ny kapoaka Izy: ary rehefa nisaotra Izy dia nanome azy, ka nataony hoe: Misotroa amin’ity hianareo rehetra fa Ity no Rako, dia ny amin’ny Fanekena vaovao, izay alatsaka ho anareo sy ny maro ho famelan-keloka: izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro hianareo

Koa noho izany, Tompo Ray any an-danitra ô, dia manatitra izao fanomezanao masina izao izahay mpanomponao, ary manao eo anatrehanao ny fahatsiarovana nodidian’ny Zanakao hataonay, ka mahatsiaro ny Niaretany masina sy ny Nahafatesany soa sy ny nitsanganany mahery ary ny niakarany malaza; ary misaotra Anao tokoa izahay noho ny fanomezanao tsy hita isa izay azony ho anay noho izany.

Ary mifona aminao izahay, Ray mamindra fo ô, mihainoa anay, ary noho ny fahatsaranao dia aoka ny Teninao sy ny Fanahinao Masina no hitahianao sy hanamasinanao izao fanomezana izao, dia ny mofo sy ny divay, ho Tena sy Ran’ny Zanakao malala indrindra.

Ary maniry tokoa izahay mpanomponao, Ray mamindra fo ô, mba horaisinao noho ny fahatsaranao izao fanati-piderana sy fisaorana izao. Ary mangataka aminao amim-panetrentena izahay, aoka ny fahamiendrehan’i Jesoa Kristy Zanakao sy ny Nahafatesany ary ny fitokianay ny Rany, no hahazoanay sy ny Eklesianao ny famelana ny helokay sy ny fahasoavana rehetra vokatry ny Nijaliany

Numéro de page - 79

Ary mifona aminao izahay, aoka anie izay rehetra mandray ity Komoniona masina ity mba hanadray amim-pahamiendrehana ny Tena sy ny Ra soan’i Kristy, ary ho feno ny fahasoavanao sy ny fitahianao avy any an-danitra ka hatao tena iray amin’i Kristy.

Ary dia aterinay sy atolotray amin’izao Tompo ô, ny sainay sy ny fanahinay ary ny tenanay ho fanatitra mety sy masina ary velona. Ary na dia tsy miendrika hanatitra fanatitra aminao akory aza izahay, noho ny helokay maro samihafa, mifona aminao izahay, raiso amin’ny fankasitrahana ity fanompoana adidinay ity; koa aza mandanja anay, fa mamelà ny fahadisoanay: amin’ny alalan’I Jesoa Kristy Tomponay. Izay omem-boninahitra sy laza amin’ny firaisan’ny Fanahy Masina, miaraka aminao Ray any an-danitra ô, mandrakizay mandrakizay Amena

Pesbytera

Ary araka ny nandidian’i Jesoa Kristy sy nampianariny antsika, dia sahy isika hanao hoe:

RAINAY Izay any an-danitra, Hohamasinina anie ny Anaranao: Ho tonga anie ny fanjakanao Hatao anie ny sitraponao, Ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. Ary mamelà ny helokay, tahaka ny amelanay izay meloka aminay. Ary aza mitondra anay amin’ny fakam-panahy: fa manafaha anay amin’ny ratsy. Fa anao ny fanjakana, sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay Amena

Numéro de page - 80

Dia hataon’ny Presbytera sy ny olona hoe:

Zanak’ondrin’Andriamanitra ô, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao, mamindrà fo aminay

Zanak’ondrin’Andriamanitra ô, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao, mamindrà fo aminay

Zanak’ondrin’Andriamanitra ô, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao, omeo anay ny fiadananao.

Ary dia horaisin’ny Ministera aloha ny Komoniona ary rehefa vita izany, dia hatolony ny Eveka sy ny Presbytera ary ny Diakona dia manaraka izany ny olona efa mandohalika milamina tsara, ary raha manolotra ny Mofo eo an-tànan’ny olona tsirairay dia hataony hoe:

NY Tenan’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay nomena ho anao, hitandrina ny tenanao sy ny fanahinao anie ho amin’ny fiainana mandrakizay. Raiso ka hano ity, ho fahatsiarovana fa Kristy dia maty ho anao, ary hano ao am-ponao Izy amin’ny finoana sy ny fisaorana.

Ary ny Ministera izay mitondra ny Kapoaka hosotroin’ny olona dia hanao amin’ny olona tsirairay hoe:

Ny Ran’i Jesoa Kristy Tompontsika Izay nalatsaka ho anao, hitandrina ny tenenao sy ny fanahinao anie ho amin’ny fiainana mandrakizay. Misotroa amin’ity ho fahatsiarovana fa ny Ran’I Kristy dia nalatsaka ho anao koa misaora.

Raha lany ny Mofo na ny Divay izay efa voahasina nefa mbola misytsy mandray, dia hanamasina hafa indray ny Presbytera, miatomboka amin’ny teny hoe: Tamin’ilay alina, ka hatramin’ny hoe: Zanakao malala indrindra, raha ny mofo no hamasinina; ary amin’ny malala indrindra, raha ny Kapoaka no hamasinina.

Ary rehefa nandray izy rehetra, dia hanatrika ny Alitara ny Ministera, ary hametraka amim-panajana eo amboniny ny ambin’ny voahasina, ary hanarona azy lamba fotsy, na handroso amin’ny fanasana ny kapoaka, araka izay heveriny ho mety.

Numéro de page - 81

Rehefa vita izany dia hataon’ny Presbytera hoe:

Homba anareo anie ny Tompo

Valiny

Arty homba ny fanahinao

Aoka isika hivavaka

ANDRIAMANITRA Tsitoha sy mandrakizay ô, misaotra Anao tokoa izahay, izay efa nandray araka izay mety ity Sakramenta masina ity, fa efa sitrakao hamahana anay ny hanim-panahy, dia ny Tenan’i Jesoa Kristy Zanakao Mpamonjy anay sy ny Rany soa indrindra, ka mampahatoky anay amin’izany ny fitiavanao anay ho sampan velona momba ny Tenany Zanakao izay fiombonan’ny mino, sy ho mpandova araka ny fanantenana ny fanjakanao mandrakizay noho ny Nijalian’ny Zanakao malala sy ny Nahafatesany soa indrindra. Ary mangataka aminao amim-panetrentena izahay, Ray any an-danitra ô, hanampy anay amin’ny fahasoavanao mba haharetanay amin’izany fiombonana masina izany,ka hahefanay izay asa tsara rehetra nokasainao hataonay; amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay, Izay omem-boninahitra sy laza miaraka aminao sy ny Fanahy Masina, mandrakizay mandrakizay Amena

Dia hotononina na hohiraina ity izay azo avela amin’ny andavanandro, afa-tsy raha Fety lehibe:

 

Numéro de page - 82