Fanirian'ny olo-marina mba hanaiky an'andriamanitra avokoa ny firenena rehetra


Retour

ANDRIAMANITRA anie hamindra fo aminay sy hitahy anay; hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy;

2 Mba ho fantatra etỳ ambonin'ny tany ny lalanao sy ny famonjenao any amin'ny jentilisa rehetra.

3 Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.

Numéro de page - 285

4 Hifaly sy hihoby ny firenentsamy hafa, Satria mitsara marina ny firenena HIanao ; ny firenen-tsamy hafa ambonin'ny tany dia entinao;

5 Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.

6 Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika.

7 Mitahy antsika Andriamanitra; ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.

Numéro de page - 286