Fiderana an'andriamanitra noho ny ataony , fa indrindra noho ny anomezany ny vokatry ny tany


Retour

FIVAVAHANA HARIVA

65

Ho anao ny fanginana sy ny fiderana, Andriamanitra any Ziona ô, ary aminao no anefana ny voady.

2 Ry Mpihaino vavaka ô,Ianao no hohatonin'ny nofo rehetra.

3 Ny zava-mahameloka ahy dia mihoatra noho izay zakako; nefaIanao no mamela ny fahadisoanay.

4 Sambatra izay fidinao ka ampanatoninao hitoetra eo an-kianjanao; Te-ho voky ny zava-tsoa ao amin'ny tranonao izahay dia ny zava-masina ao amin'ny tempolinao.

5 Zava-mahatahotra no ataonao amin'ny fahamarinana ho valin'ny vavakay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ry tokin'ny faran'ny tany rehetra sy ny ranomasina eny lavitra eny.

6 Mampiorina ny tendrombohitra amin'ny heriny Izy, misikina fahatanjahana Izy.

7 Mampitsahatra ny firohondrohon'ny onjan-dranomasina Izy, sy ny fitabataban'ny firenena.

8 Dia matahotra noho ny famantaranao ny mponina any am-paran'ny tany; ny any amin'ny fiposahan'ny maraina sy ny hariva no ampihobinao.

9 Mamangy ny tanyIanao ka mahamando azy; mampahavokatra azy betsakaIanao - Ny onin'Andriamanitra dia tondra-drano - Mamboatra vary ho an'ny olona HIanao ; fa izany no famboatrao ny tany.

10 Mahampoka ny tany voasaIanao ka mampiravona azy; ranonorana mivatravatra no amontosanao azy; mitahy ny fitsimohany HIanao .

Numéro de page - 283

11 Satrohanao voninahitra ny taona fitahIanao ; ary ny dIanao  mitete menaka.

12 Vonton-drano ny fiandrasana ondry any an-efitra, ary misikina fifaliana ny havoana.

13 Rakotra ondry ny saha; ary voasarona vary ny lohasaha: mihoby izy, eny, mihira koa.

Numéro de page - 284