Fiantsoana an'andriamanitra hanafaka amin'ny fandrika amam-pitaka ataon'ny olona, sy fanambarana ny havaliny ireny


Retour

HENOY ny feoko, raha mitaraina aho, Andriamanitra ô; arovy ny aiko amin'ny tahotro ny fahavalo.

2 Afeno aho tsy ho azon'ny firaisan-tetiky ny ratsy fanahy,sy ny fitabataban'ny mpanao ratsy,

3 Izay mandranitra ny lelany ho tahaka ny sabatra, ka mikendry handefa ny zana-tsipìkany, dia teny mangidy.

4 Mba hitifitra mangingina ny mahitsy; mitifitra azy tampoka izy ka tsy matahotra.

5 Hamafiny ny hevi-dratsiny; mifampitaona hanao fandri-totofana izy ka manao hoe: iza no hahita izany?

6 Manao saim-petsy izy; omaniny tsara ny sain-dalina voaheviny; lalina ny ao anatin'ny olombelona, dia ny fony.

7 Mitifitra azy Andriamanitra; tampoka toy ny fiantefan'ny zana-tsipìka no fahavoazany.

8 Apotrany izy ka voasingotra ny lelany ihany; mandositrizay rehetra mahita azy.

9 Dia matahotra ny olona rehetra ka manambara ny ataon'Andriamanitra sady mandinika tsara ny asany.

10 Mifaly amin'i Jehovah ny marina ka mialoka aminy; eny, mifaly tena ny mahitsy fo rehetra.

Numéro de page - 282