Fiantsoan'ny efa resim-pahavalo mba hotsarovan'andriamanitra ny teniny


Retour

ANDRIAMANITRA ô, efa nanary sy nampihahaka anay HIanao ; efa tezitra HIanao , velombelomy izahay.

2 Efa nampihorohoro ny tanyIanao ka namaky azy; amboary izay rava aminy, fa mihozongozona izy.

3 Efa nampahita ny olonao zava-tsarotra HIanao , ary efa nampisotro anay divay mampiraikiraiky.

4 Efa notoloranao faneva ny matahotra Anao, hatsangany noho ny fahamarinana.

5 Mba hahafahan'ny malalanao, dia vonjeo amin'ny tananao ankavanana aho, ka valio.

Numéro de page - 278

6 Andriamanitra niteny tamin'ny fahamasinany hoe: hifaly Aho ka hizara an'i Sekema; ary ny lohasahan'i Sokota horefesiko;

7 Ahy Gileada, Ahy koa Manase; ary aron'ny lohako Efraima tehim-panjakako Joda;

8 Tavin-dranoko fanasana Moaba; Edoma no anipazako ny kapako; mihobia noho ny amiko, ry Filistia.

9 Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? iza no hitarika ahy ho any Edoma?

10 TsyIanao va, Izay efa nanary anay, Andriamanitra ô. Sady tsy nivoaka niaraka tamin'ny antokon'ny miaramilanay, Andriamanitra ô?

11 Vonjeo amin'ny mpandrafy izahay; fa zava-poana ny famonjena ataon'ny olona.

12 Andriamanitra no haherezantsika; fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.

Numéro de page - 279