Ny sasinteny voatendry


Retour

 

NY SASINTENY VOATENDRY

Amin’ny ISAN-ALAHADY, afa-tsy raha misy hafa voatendry

FA Hianao, Ray ô mbamin’ny Zanakao-lahy Tokana sy ny Fanahy Masina dia Andriamanitra Iray Tompo Iray; nefa tsy Persona iray ihany fa Persona telo amin’ny Sobstansia iray; ka ny Teninao mandrakizay no naharianao ny zavatra rehetra ary noho izany ets

 

Numéro de page - 74

FA efa nomenao Jesoa Kristy Zanakao-lahy Tokana ho teraka ho anay tamin’ny fotoana izay tsarovanay ankehitriny; ka Izy tamin’ny fiasan’ny Fanahy Masina, dia natao olona tokoa avy amin’ny tenan’i Maria Virijina reniny; ary ny tsi-fananany tsiny no anadiovany anay amin’ny tsiny rehetra. Ary noho izany, ets

Numéro de page - 74

AMIN’ny alalan’ny Zanakao-lahy Tokana, izay niseho tamin’ny fomban’olombelona mety maty ka manavao anay tamin’ny fahazavan’ny tenany tsy mety maty. Ary noho izany ets

Numéro de page - 74

FA Hianao efa nitarika ny fonay ho tia ny fifehezan-tena mba handresenay ny filan-dratsin’ny nofo ka tsy ho velona ho an’ny tenany intsony fa ho an’Ilay maty sy nitsangana hamonjy anay, dia Jesoa Kristy Tomponay. Ary noho izany, ets

Numéro de page - 74

Amin'ny ALAHADY FAHADIMY amin'ny Fotoam-pifadiana ka hatramin'ny Alarobia amin'ny HERINANDRO MASINA, afa-tsy raha misy sasinteny momba ny olo-masina voatendry.

FA efa nomenao Jesoa Kristy Zanakao-lahy Tokana hanafaka anay amin’ny fahefan’ny maizina, koa nasandratra teo amin’ny Hazo fijaliana Izy mba hitaona ny olona rehetra hanatona Azy, sady mba ho tonga loharanon’ny famonjena mandrakizay ho an’izay rehetra mino sy manaraka Azy. Ary noho izany ets

Numéro de page - 75

AMIN’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay Izay efa tia ny Azy teo amin’izao tontolo izao, ary tia azy hatramin’ny farany; ka tamin’ilay alina mialoha ny Nijaliany dia nanendry izao Zava-miafina masina izao Izy, mba handraisanay ny soa vokatry ny Nijaliany sy hamelomana anay noho ny Fitsanganany tamin’ny maty, ka ho mpiombona ny maha Andriamanitra Azy sady hofenoina ny fahafenoan’Andriamnitra rehetra. Ary noho izany, ets

Numéro de page - 75

KA dia tokony hidera Anao indrindra izahay noho ny nitsangan’i Jesoa Kristy Zanakao-lahy Tokana Tomponay tamin’ny maty; fa Izy no Zanak’ondry Paska marina tokoa, Izay naterina hisolo anay, ka efa nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao; fa ny Nahafatesany no nandravany ny fahafatesana, ary ny Nitsanganany indray no namerenany ny fiainana mandrakizay ho anay. Ary noho izany, ets

Numéro de page - 75

AMIN’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao malala indrindra Tomponay, Izay niseho niharihary tamin’ny Apostoly rehetra taorian’ny Nitsanganany malaza indrindra tamin’ny maty, ary hitany niakatra any an-danitra Izy, hanamboatra fitoerana ho anay, mba hiakarany koa any amin’izay itoerany, hiara-manjaka aminy amin’ny voninahitra Ary noho izany, ets

Numéro de page - 75

AMIN’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay; fa araka ny teny fikasany marina tokoa, dia nidina avy tany an-danitra ny Fanahy Masina tamin’ny fotoana izay tsarovanay ankehitriny, tamin’ny feo tonga tampoka toy ny rivotra mahery, ary mipetraka toy ny lelafo amin’ny Apostoly Izy, hampianatra sy hitondra azy amin’ny marina rehetra; ka nampiteny azy fiteny samy hafa sy nanome azy fahasahiana hazoto fatratra hitory ny Filazantsara amin’ny firenena rehetra; ary izany no nitondrany anay niala tamin’ny maizina sy ny fahadisoana ho amin’ny fahazavana sy ny fahalalana Anao marina sy Jesoa Kristy Zanakao Ary noho izany ets

Numéro de page - 76

DIA Andriamanitra Iray, Tompo Iray; nefa tsy Persona iray ihany, fa Persona telo amin’ny Sobstansia iray. Koa izay inoanay ny amin’ny voninahitry ny Ray dia inoanay koa ny amin’ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, fa tsy misy tsi-fitoviana akory. Ary noho izany ets

Numéro de page - 76

FA efa nomenao Jesoa Kristy Zanakao-lahy Tokana ho teraka ho anay; ka Izy, tamin’ny fiàsan’ny Fanahy Masin, dia natao olona tokoa avy amin’ny tenin’i Maria Virijina reniny; ary ny tsi-fanany tsiny no anadiovany anay amin’ny tsiny rehetra Ary noho izany, ets

Numéro de page - 76

SATRIA ny voninahitr’Ilay Teninao tonga nofo dia namirapiratra tao an-tendrombohitra masina teo anatrehan’ireo vavolombelona nahita maso ny fiaindrianany, ka nampiseho ny fihavian’ny Fanjakany amin-kery, miaraka amin’ny olony masina eo anatin’ny fahazavana mamirapiratra. Ary noho izany ets

Numéro de page - 77

FA Hianao efa nanome anay ny mariky ny fitondrantena tsara sy fanantenana mahatoky ny amin’ny fiantsoana anay, tamin’ny alalan’ny olonao masina, izay vavolombelona marobe manodidina anay toy ny rahona; ka hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloanay izao, mba handraisanay ny satroboninahitra izay tsy mety ho lo Ary noho izany ets

Numéro de page - 77

AMIN’ny alalan’I Jesoa Kristy Tomponay, Izay efa nampiseho mazava ny fiainana sy ny tsi-fahafatesana mba tsy hahavelomanay izay mitanondrika noho ny fahotana sy ny fahafatesana, tahaka ny olona tsy manana fanantenana, satria fantatray fa raha ravàna ny trano-lainay eto an-tany, dia manana izay tsara lavitra any an-danitra izahay. Ary noho izany, ets

Numéro de page - 77

FA he! Na dia ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Anao, ary heniky ny voninahitrao izao tontolo izao; kanefa manaiky hitoetra ao amin’ny trano eto an-tany, izay atokana ho an’ny Anarano, ka ao no ampidiananao fanomezam-pahasoavana ho an’ny olonao. Ary noho izany ets

Numéro de page - 77