Ny amin'ny famaliana ny mpanao fitsarana tsy marina


Retour

MOA milaza ny maraina: mitsara mahitsy va hianareo, ry zànak’olombelona?

2 Tsy izany, fa ny fonareo no amoronanareo ny ratsy; mandanja ny fandozan'ny tananareo etỳ an-tany hianareo.

3 Mivily hatrany am-bohoka ny ratsy fanahy; mania hatrany an-kibo izy ka miteny lainga.

4 Misy poizina tahaka ny an'ny menarana aminy; eny, tahaka ny vipera marenina izay manentsin-tadiny izy,

5 Ka tsy mihaino ny feon'ny mpanao ody, na dia izay mpahay ody indrindra aza.

6 Andriamanitra ô, torotoroy ny nifiny eo am-bavany; omboty ny vazan'ny liona tanora, Jehovah ô.

7 Aoka ho ritra tahaka ny ranotrambo izy; raha atraniny ny zana-tsipìkany, dia aoka ho tapa-doha ireny;

8 Aoka ho tahaka ny lelosy izay mihalevona eny am-pandehanana izy; Aoka ho tahaka ny zaza-vakimanta izay tsy mahita masoandro izy.

9 Dieny tsy mbola mafanan'ny afon-tsilo ny vilaninareo, aoka ho entin'ny tafio-drivotra ireny, na ny lena na ny maina.

Numéro de page - 277

10 Hifaly ny marina, raha mahita ny famaliana; hanasa ny tongony amin'ny ran'ny ratsy fanahy izy;

11 Dia hiteny ny olona ka hanao hoe: misy valiny tokoa ho an'ny marina; misy tokoa Andriamanitra Izay mitsara etỳ ambonin'ny tany.

Numéro de page - 277