Fangataham-pamindrampo sy fahatokiana an'andriamanitra , na dia hodidinim-pahavalo aza


Retour

MAMINDRA fo amiko. Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko; faIanao no ialofan'ny fanahiko; eny, ao amin'ny aloky ny elatrao no ialofako, mandra-pahalasan'ny loza.

2 Hitaraina amin'Andriamanitra Avo Indrindra aho, dia amin'Andriamanitra Izay mahatanteraka ho ahy.

3 Haniraka avy any an-danitra Izy ka hamonjy ahy, raha miteny ratsy izay misafoaka manenjika ahy; eny, Andriamanitra haniraka ny famindram-pony sy ny fahamarinany.

4 Ny fanahiko dia eo afovoan'ny liona; handry eo amin'ny masiaka aho, dia eo amin'ny zanak'olombelona,- lefona sy zana-tsipìka ny nifiny, ary sabatra maranitra ny lelany.

5 Misandrata any ambonin'ny lanitra HIanao , Andriamanitra ô! aoka ho ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao.

6 Efa namela-pandrika harato haningotra ny diako izy, ary nampitanondrika ny fanahiko; nihady lavaka teo anoloako izy, kanjo ny tenany ihany no latsaka ao anatiny.

7 Tafatoetra ny foko, Andriamanitra ô, eny, tafatoetra ny foko; hihira sy hankalaza aho.

8 Mifohaza, ry voninahitro; mifohaza ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa* aho.

Numéro de page - 275

9 Hidera Anao eny amin'ny vahoaka aho, Tompo ô, hankalaza Anao eny amin'ny firenena aho.

10 Fa lehibe mihatra amin'ny lanitra ny famindram-ponao, ary mihatra amin'ny rahona ny fahamarinanao.

11 Misandrata any ambonin'ny lanitra HIanao , Andriamanitra ô; aoka ho ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao.

Numéro de page - 276