Fangataham-pamonjena amin'andriamanitra sy fahatokiana azy any am-pandosirana


Retour

ANDRO FAHA-11

FIVAVAHANA MARAINA

56

MAMINDRÀ fo amiko, Andriamanitra ô, fa misafoaka manenjika ahy ny olona; miady amiko mandrakariva izy ka mampahory ahy.

2 Misafoaka manenjika mandrakariva ny mpampahory ahy; maro tokoa no mirehareha miady amiko.

3 Amin'ny andro atahorako no itokiako Anao.

4 Andriamanitra no iderako ny teniny; Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon'ny nofo amiko?

5 Manimba ny raharahako mandra-kariva ireny; ny heviny rehetra dia ny hanisy ratsy ahy ihany.

6 Miangona izy, miery izy, mitsongo-dia ahy izy, satria mikendry ny aiko.

7 Amin'izany faharatsiany izany moa hisy hahafahany va? Aripaho amin'ny fahatezeranao ny firenena. Andriamanitra ô.

8 Manisa ny firenireneko HIanao ; ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko; tsy eo amin'ny bokinao va ireny?

9 Amin'izay dia hiamboho ny fahavaloko amin'ny andro hiantsoako Anao; izao dia fantatro, fa momba ahy Andriamanitra.

10 Andriamanitra no iderako ny teniny; Jehovah no iderako ny teniny.

Numéro de page - 274

11 Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon'ny olona amiko?

12 Nivoady taminao aho, Andriamanitra ô, dia hanatitra fanati-pisaorana ho Anao.

13 Fa efa nanafaka ny fanahiko tamin'ny fahafatesana HIanao ; eny, nanafaka ny tongotroIanao mba tsy ho solafaka. Handehanako eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny fahazavan'ny velona.

Numéro de page - 275