Fangataham-pamonjena amin' andriamanitra sy fahatokiana azy, na dia be aza ny fahavalo


Retour

VONJEO amin'ny anaranao aho, Andriamanitra ô, ary omeo rariny aho araka ny herinao.

2 Andriamanitra ô, henoy ny fivavako; mihainoa ny tenin'ny vavako.

3 Fa olona hafa firenena no mitsangana hamely ahy, ary olon-dozabe no mitady ny aiko; tsy mihevitra an'Andriamanitra ho eo anatrehany izy.

Numéro de page - 271

4 Indro, Andriamanitra no Mpamonjy ahy; ny Tompo no Mpanohana ny fanahiko.

5 Hamaly ny ratsy ataon'ny mpampahory ahy Izy; aoka ny fahamarinanao no handringananao azy.

6 Sitrapoko ihany no hanaterako fanatitra ho Anao; hidera ny anaranao aho, Jehovah ô, fa tsara izy.

7 Fa efa namonjy ahy ho afaka tamin'ny fahoriana rehetra Izy; ary ny masoko dia faly mijery ny amin'ny fahavaloko.

Numéro de page - 272