Ny loza hanjo izay tsy miambim-bava


Retour

NAHOANA no mandoka tena amin'ny haratsiana Ianao , ry ilay mahery? Ny famindram-pon'Andriamanitra maharitra mandrakariva.

2 Loza no heverin'ny lelanao, tahaka ny hareza maranitra, ry mpanao fitaka.

3 Efa tia ny ratsy noho ny tsara Ianao , ary ny lainga noho ny miteny ny marina.

4 Ny teny mandripaka rehetra no tIanao , ry lela mamitaka.

5 Andriamanitra kosa hanimba anao mandrakizay; hisambotra anao sy hanongotra anao hiala ao an-day Izy, ary hamongotra anao tsy ho eo amin'ny tanin'ny velona.

6 Ny marina hijery, dia hatahotra ka hihomehy azy hoe:

7 Indro, ny lehilahy izay tsy nanao an'Andriamanitra ho heriny; fa natoky ny haben'ny hareny ka nikikitra tamin'ny faharatsiany.

8 Fa izaho dia tahaka ny hazo oliva maitso ao an-tranon'Andriamanitra. Matoky ny famindram-pon'Andriamanitra mandrakizay doria aho.

9 Hidera Anao mandrakizay aho, fa efa nataonao izany; ary hiandry ny anaranao eo anatrehan'ny olonao masina aho, fa tsara izany.

Numéro de page - 270