Fieken-keloka


Retour

Dia hitarika ity fieken-keloka ity ny Ministera anankiray, ary hiara-mandohalika izy rehetra ka hanao hoe:

ANDRIAMANITRA Tsitoha ô, Rain’I Jesoa Kristy Tomponay, Mpanao ny zavatra rehetra, ary Mpitsara ny olona rehetra. Malahelo izahay ka miaiky ny fahotanay sy ny helokay maro samy hafa. Izay efa nanoheranay Anao matetika, tamin’ny hevitra sy ny teny ary ny atao, ka nampirehitra ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao marina taminay. Mibebaka marina tokoa izahay, noho ireo haratsianay ireo; Mampahory anay ny fahatsiarovanay azy, Tsy zakanay ny fahavesarany. Mamindrà fo aminay, Mamindrà fo aminay, Ray mamindra fo indrindra ô; mamelà ny heloka rehetra nataonay tamin’ny lasa, noho ny fitiavanao an’i Jesoa Kristy Tomponay; ary hatramin’izao dia aoka izahay hanompo Anao mandrakariva, amin’ny fitondrantena ankasitrahanao, Ho voninahitra sy ho lazan’ny Anaranao; Amin’ny alaln’i Jesoa Kristy Tomponay Amena.

Dia hitsangana ny Presbytera (na ny Eveka raha eo izy) ka hanatrika ny olona, ary hanao ity famelan-keloka ity.

ANDRIAMANITRA Tsitoha, Raintsika any an-danitra, Izay manaiky amin’ny famindrampony lehibe hamela heloka izay rehetra manantona Azy amin’ny fibebehana mafy sy ny finoana marina! Hamindra fo aminareo anie Izy; hamela sy hanafaka anareo amin’ny helokareo rehetra; hanamafy sy hanatanjaka anareo amin’ny fahatsarana rehetra ary hitondra anareo ho amin’ny fiainana mandrakizay; amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika Amena.

Numéro de page - 71

Dia hataon’ny Presbytera hoe:

Henoy ny teny mampionona ataon’i Kristy Mpamonjy antsika amin’izay manatona Azy tokoa:

MANKANESA aty amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana S.Mat xi.28

Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay S.Jaona iii.16

Henoy koa izay lazain’i S.Paoly:

Mahatoky ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: tonga tety am-bonin’ny tany Kristy Jesoa hamonjy ny mpanota 1Tim i.15

Henoy koa izay lazain’i S Jaona:

Raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesoa Kristy Ilay Marina; ary Izy no avotra noho ny fahotantsika 1Jaona ii.1

Ary dia handohalika manatrika ny Alitara ny Presbytera ka hanao izao fivavahana manaraka izao hisolo vava izay rehetra handray ny Komoniona Masina:

TOMPO mamindra fo ô, tsy dia matoky ny fahamarinanay izahay no sahy manatona ity Latabatrao ity, fa ny famindramponao maro sy lehibe no itokianay. Tsy mendrika izahay, na dia hihinana ny sombintsombiny latsaka avy amin’ny Latabatrao akory aza. Nefa Hianao no Tompo mamindra fo mandrakariva: Ry Tompo be fahasoavana ô, aoka ny fihinananay ny Nofon’I Jesoa Kristy Zanakao malala sy ny fisotronay ny Rany, no hanadiovan’ny Tenany ny Tenanay feno fahotana, sy hanasan’ny Rany soa indrindra ny fanahinay, hitoeranay mandrakariva ao aminy. Ary Izy ato anatinay Amena

Numéro de page - 72

Rehefa vita izany, dia hitsangana ny Presbytera ka hanao hoe:

Homba anareo anie ny Tompo

Valiny

Ary homba ny fanahinao

Presbytera

Asandrato ny fonareo

Valiny

 asandratray amin’ny Tompo ny fonay

Presbytera

Aoka isika hisaotra an’Andriamanitra Tompontsika

Valiny

Mety sy tokony hatao izany

Dia hanatrika ny Alitara ny Presbytera ka hanao hoe;

METY dia mety sady marina no tokony hataonay indrindra izany, na oviana na oviana ary na aiza na aiza, dia ny misaotra Anao tompo ô, Ray Masina, Andriamanitra Tsitoha sy mandrakizay (ny teny hoe RAY MASINA dia ajanona amin’ny Festan’ny Trinité)

Dia hanaraka eto ny Sasinteny voatendry, fa raha tsy misy dia izao no atao:

ARY noho izany dia miara-misaotra sy mankalaza ny Anaranao malaza izahay mbamin’ny Anjely sy ny Arkanjely ary ireo maro be any an-danitra ka midera Anao mandrakariva hoe:

(dia hotononin’ny mpiangona rehetra na hohirainy izao)

Masina, masina, masina ry Tompo Andriamanitry ny maro manerana ny lanitra sy ny tany ny voninahitrao:

Ho Anao anie ny voninahitra, ry Tompo avo indrindra ô Amena

Isaorana anie Izay avy amin’ny Anaran’i Jehovah Hosana amin’ny Avo indrindra.

Numéro de page - 73