Fitarainan'ilay ampahorin'ny olon-tsy tia sy ny sakaiza mamadika


Retour

FIVAVAHANA HARIVA

41

SAMBATRA  izay mahatsiaro ny malahelo; Jehovah hamonjy azy amin'ny andro fahoriana.

2 Jehovah hitandrina sy hiaro azy tsy ho faty; hatao ho sambatra ambonin'ny tany izy, ary tsy mba hatolotrao amin'ny sitrapon'ny fahavalony.

3 Jehovah hanohana azy eo ambonin'ny farafara hitsaboana azy. Ny fandriany rehetra eo am-paharariany dia hovanao.

4 Hoy izaho: Jehovah ô, mamindrà fo amiko; sitrano ny fanahiko, fa efa nanota taminao aho.

5 Ny fahavaloko maniry ahy ho simba ka manao hoe: Rahoviana no ho faty izy, ka ho very ny anarany?

6 Ary raha avy mamangy, izy dia miteny zava-poana; ny fony mamory faharatsiana ho an'ny tenany; mivoaka eny ivelany izy ka milazalaza.

7 Mitakoritsika ahy izay rehetra mankahala ahy; misaina hanisy ratsy ahy izy.

8 Tena zava-dratsy, hoy izy, no aidina aminy; ary raha mandry izy dia tsy hitsangana intsony.

9 Eny, ny sakaizako, izay maha-toky ahy sady nihinana ny haniko, no nanangana ny ombelahin-tongony hamely ahy.

10 Fa Ianao  kosa Jehovah ô, mamindrà fo amiko, ka atsangano aho mba hamaliako azy.

11 Izao no hahafantarako fa mankasitraka ahy HIanao , dia ny tsy anakoran'ny fahavaloko ahy.

12 Ary ny amiko, dia manohana ahy amin'ny fahitsiako HIanao , ka mampitoetra ahy eo anatrehanao mandrakizay.

Numéro de page - 256

13 Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay. Amena dia Amena.

Numéro de page - 257