NIANDRY dia niandry an'i Jehovah aho; ary nitodika nitsinjo ahy Izy ka nandre ny fitarainako.
2 Dia nampakatra ahy avy tao amin'ny lavaka fandringanana Izy, eny, tamin'ny fotaka mandrevo; ary nampitoetra ny tongotro teo ambony vatolampy Izy ka nampijoro ahy.
3 Ary nanisy fihiram-baovao teo am-bavako Izy, dia fideràna an'Andriamanitsika; maro no hahita sy hatahotra ary hatoky an'i Jehovah.
4 Sambatra izay olona manao an'i Jehovah ho tokiny, ka tsy mivily ho naman'ny mpiavonavona na ny mpivadika ho amin'ny lainga.
5 Nohamaroinao ny fahagaganao sy ny hevitrao izay nataonao ho anay, Jehovah Andriamanitra ô. Tsy misy azo ampitahaina aminao
6 Raha tiako hambara sy holazaina ireny, dia, indro, maro loatra izy ka tsy tambo isaina.
7 Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba sitrakao ny sofiko nataonao malady ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy mba nilainao;
8 Dia hoy izaho:inty aho tonga ao amin'ny horonam-boky no nanoratana ahy.
9 Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalanao no ato anatiko.
10 Efa nilaza teny mahafaly ny amin'ny fahamarinana teo amin'ny fiangonana lehibe aho; indro ny molotro tsy mba nakomboko; Jehovah ô,Ianao no mahalala.
11 Ny fahamarinanao tsy mba nafeniko tato am-poko; ny fahamarinanao sy ny famonjenao no nambarako; tsy nanafina ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao tamin'ny fiangonana lehibe aho.
12 HIanao , Jehovah ô, aza miaro ny antranao tsy ho amiko; aoka ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao hiaro ahy mandrakariva.
13 Fa nanodidina ahy ny fahoriana tsy tambo isaina; nahazo ahy ny heloko, ka tsy mahay mijery aho; maro noho ny volon-dohako ireny, ka reraka ny foko.
14 Aoka ho sitraky ny fonao, Jehovah ô, ny hanafaka ahy; Jehovah ô, faingàna hamonjy ahy.
15 Aoka ho indray menatra sy mangaihay izay mitady hanimba ny aiko; aoka hiamboho sy ho menatra izay mankasitraka ahy ho ory.
16 Aoka ho ankona noho ny fahamenarany ireny manao amiko hoe: Hià! sakoa izay!
17 Aoka ho faly sy ho ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao; aoka izay rehetra tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Jehovah.
18 Fa na dia ory sy malahelo aza aho, ny Tompo no mihevitra ahy; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy HIanao ; aza ela, Andriamanitro ô.