Vavaka ho an'ny eklesian'i kristy


Retour

Raha hatao ny Komoniona, dia hapetraky ny Presbytera eo ambonin’ny Alitara ny Mofo sy ny Divay araka izay ataony ho ampy.

Rehefa vita izany dia hataon’ny Presbytera hoe:

Aoka isika hivavaka ho an’ny Eklesian’i Kristy

ANDRIAMANITRA Tsitoha sy mandrakizay ô, ny tenin’ny Apostolinao masina no efa nampianarinao anay hanao fangatahana sy fivavahana ary fisaorana, ho an’ny olona rehetra. Koa mangataka aminao izahay mba raiso amin’ny famindramponao lehibe izao (*rakitra sy fanatitra ary) vavaka izao, izay ataonay eto anatrehanao (raha tsy misy rakitra dia hajanona ny teny hoe: “RAKITRA”; ary raha tsy misy Komoniona Masina dia hajanona ny teny hoe “FANATITRA”

Ary velomy lalandava eo amin’ny Eklesia Katolika ny fanahin’ny fahamarinana sy ny firaisana ary ny fifankatiavana. Ary aoka izay rehetra manaiky ny Anarano masina hiray saina ny amin’ny teninao masina ary hifankatia tsara.

Ary mangataka aminao koa izahay, arovy ny Mpanapaka Kristiana rehetra, ary aoka ny Mpanolo-tsaina azy rehetra sy izay rehetra manam-pahefana hitsara marina fa tsy hiangatra, ka hanafay ny ratsy fanahy ary hanohana ny fivavahana marina aminao sy ny hatsaram-panahy.

Numéro de page - 69

Omeo fahasoavana, Ray any an-danitra ô, ny Eveka sy ny Klerje rehetra, hanehoany ny teninao marina sady velona amin’ny fitondran-tenany sy ny fampianarany, ary hanolorany araka izay mety sy Sakramentanao Masina.

Ary omeo ny fahasoavanao avy any an-danitra ny olonao rehetra, indrindra fa izay tafangona eto mba handraisany ny teninao masina amin’ny fo manetry tena sy amim-panajana tsara, ka hanompoany Anao tokoa amin’ny andro rehetra hiainany.

Ary mangataka aminao izahay, Tompo ô, mba hampionony sy vonjeo amin’ny fahatsaranao izay rehetra zoim-pahoriana, na malahelo, na mahantra, na marary, na tra-doza hafa amin’izao fiainana mandalo izao.

Ary koa isaoranay ny Anaranao masina noho ny mpanomponao rehetra izay efa nodimandry tamin’ny finoana sy ny fahatahorana Anao, sady mangataka fahasoavana aminao izahay hanarahanay ny dianay tsara, mba hiarahanay aminy koa handova ny fanjakanao any an-danitra. Tanteraho izany, Ray ô, noho ny fitiavanao an’i Jesoa Kristy, Mpanalalana sy Mpisolovava anay. Amena

Dia hataon’ny Presbytera amin’izay handray ny Komoniona Masina hoe:

HIANAREO izay mibebaka marina tokoa noho ny fahotanareo sy mifankatia amin’ny namanareo ary mikasa hitondrantena tsara, ka hanaraka ny didin’Andriamanitra sy handeha amin’ny làlany masina hatramin’izao,manatona amin’ny finoana ary raiso ity Sakramenta Masina ity hampionona anareo; ary ataovy amim-panetrentena eo am-pandohalehana ny fieken-kelokareo amin’Andriamanitra Tsitoha.

Numéro de page - 70