Fivavak'izay ory dia ory indrindra


Retour

ANDRO FAHA-8

FIVAVAHANA MARAINA

38

JEHOVAH ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy; ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.

2 Fa mitsatoka amiko ny zana-tsipìkanao,ary manindry ahy mafy ny tananao,

3 Tsy misy fahasalamana ny nofoko noho ny fahatezeranao; tsy misy tsy marary ny taolako noho ny fahotako.

4 Fa ny heloko efa mihoatra ny lohako; tahaka ny entana mavesatra izy ka tsy zakako.

5 Maimbo sady mihady ny feriko noho ny hadalako.

Numéro de page - 251

6 Mitanondrika sy mijoretra indrindra aho, ary misaona mandrakariva.

7 Ary ny vaniako henika ny aretina mahamay, ka tsy misy fahasalamana ny nofoko.

8 Marikoditra aho sady torovana indrindra; midradradradra aho noho ny fitolokon'ny foko.

9 Ry Tompo ô, eo anatrehanao ny faniriako rehetra;ary ny fisentoako tsy mba miafina aminao.

10 Miemponempona ny foko, lany ny heriko, ary ny fahiratan'ny masoko aza efa nandao ahy.

11 Ny olo-malalako sy ny sakaizako aza efa manalavitra ny fahoriako; Ary ny havako mijanona eny lavitra eny.

12 Mamela-pandrika izay mitady ny aiko; ary izay mitady hanimba ahy miteny fanimbana,sy misaim-pitaka mandrakariva.

13 Fa izaho dia tahaka ny marenina ka tsy mandre, ary tahaka ny moana ka tsy mahaloa-bava;

14 Eny, dia tahaka ny olona tsy mandre, sady tsy misy teny havaly eo am-bavany.

15 Fa Ianao  no antenaiko Jehovah ô; Ianao  no hamaly, ry Tompo Andriamanitra ô.

16 Fa hoy izaho: sao dia hifalian'izy ireo anie aho;ary raha mibolisatra ny tongotro, dia hirehareha amiko izy.

17 Fa efa ho lavo aho, ary ny fanaintainako dia tsaroako mandrakariva.

18 Fa ny heloko no hambarako; matahotra* aho noho ny fahotako. [Na: Malahelo]

19 Fa ny fahavaloko velona ihany sady mahery; ary maro no mandrafy ahy tsy ahoan-tsy ahoana;

20 Ary mamaly ratsy ny soa izy ireo ka mandrafy ahy ho valin'ny fanarahako ny tsara.

Numéro de page - 252

21 Aza mahafoy ahy,Jehovah ô; Ry Andriamanitro ô, aza manalavitra ahy.

22 Faingàna hamonjy ahy, ry Tompo, Mpamonjy ahy ô.

Numéro de page - 253