Fitarainana nataon' izay trapanenjehana mafy


Retour

JEHOVAH  ô,Ianao no ialofako; aoka tsy ho menatra akory mandrakizay aho; vonjeo amin'ny fahamarinanao aho.

2 Atongilano amiko ny sofinao, faingàna hamonjy ahy; aoka ho vatolampiko fiarovana mafyIanao sy batery fiarovana hamonjena ahy.

3 Fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy HIanao ; ary noho ny anaranao no hitondrànao sy hitarihanao ahy.

4 Hanafaka ahy amin'ny fandrika harato izay nafeniny hamandrihany ahy HIanao ; faIanao no fiarovana mafy ho ahy.

5 Eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; fa efa nanavotra ahy HIanao , Jehovah ô, Andriamanitry ny fahamarinana.

6 Halako izay mivavaka amin'ny sampy; fa Jehovah kosa no itokiako.7 Hifaly sy ho ravoravo amin'ny famindram-ponao aho; fa nahita ny fahantrako HIanao , ka nahafantatra ny fahorian'ny fanahiko,

8 ary tsy mba nangeja ahy teo an-tànan'ny fahavalo; fa efa nampitoetra ny tongotro eo amin'ny malalaka HIanao .

9 Mamindrà fo amiko, Jehovah ô, fa azom-pahoriana aho; simban'alahelo ny masoko sy ny fanahiko ary ny tenako.

Numéro de page - 239

10 Fa lanin'alahelo ny aiko, sady lanim-pisentoana ny taonako; Tsy manan-kery aho noho ny heloko, ary efa lany ny taolako.

11 Noho ny ataon'ny fahavaloko rehetra dia efa tonga fandatsa aho, eny, na dia amin'ny namako aza,sady atahoran'ny olom-pantatro aho; izay mahita ahy eny ivelany mandositra ahy.

12 Efa hadino tahaka ny olona maty izay tsy tsaroana intsony aho; tahaka ny vilany ariana aho.

13 Fa mandre ny endrikendriky ny maro aho; misy fampangorohoroana manodidina, raha miara-mioko hamely ahy izy, ka miray tetika hahafaty ny aiko.

14 Nefa izaho matoky Anao, Jehovah ô; hoy izaho: Andriamanitro HIanao .

15 Eo an-tananao ny androko; Vonjeo aho tsy ho azon'ny tanan'ny fahavaloko sy izay manenjika ahy.

16 Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao; vonjeo amin'ny famindram-ponao aho.

17 Aoka tsy ho menatra aho, Jehovah ô, satria miantso Anao; fa aoka kosa ho menatra ny ratsy fanahy ka hangina any amin'ny fiainan-tsi-hita*. [Heb: Sheola]

18 Aoka hangina ny molotra mandainga, izay miteny sahisahy hanohitra ny marina, amin'ny avonavona sy ny fanamavoana.

19 Akory re ny haben'ny zava-tsoanao voarakitrao ho an'ny matahotra Anao! dia izay nataonao teo anatrehan'ny zanak'olombelona ho an'izay mialoka aminao!

20 Hanafina azy ao amin'ny fiafenana eo anatrehanao HIanao , mba tsy ho tratry ny teti-dratsy ataon'ny olona izy; hampiery azy ao an-tranonao HIanao , mba tsy ho azon'ny lela mifanditra izy.

21 Isaorana anie Jehovah; fa nataony mahagaga ny famindram-pony tamiko tao an-tanàna mimanda.

Numéro de page - 240

22 Fa hoy izaho tamin'ny fahatairako; voafongotra tsy ho eo imasonao aho; kanjo nihaino ny feon'ny fifonako ihany HIanao , raha nitaraina taminao aho.

23 Tiava an'i Jehovah, ry olony masina rehetra; miaro ny marina Jehovah, ary mamaly dia mamaly ny mpiavonavona Izy.

24 Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo, dia hianareo rehetra izay manantena an'i Jehovah.

Numéro de page - 241