Fisaorana nataon'izay narary mafy noho ny namonjen'andriamanitra ny ainy .


Retour

ANDRO FAHA-6

FIVAVAHANA MARAINA

30

HANANDRATRA  Anao aho, Jehovah ô; fa nanintona ahy niakatra HIanao , ka tsy nataonao ho fifalian'ny fahavaloko aho.

2 Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy HIanao .

3 Jehovah ô, efa nampakatra ny fanahiko avy tany amin'ny fiainan-tsi-hita  HIanao ; efa nampody ny aiko HIanao , mba tsy ho isan'izay midina any an-davaka aho.

4 Mankalazà an'i Jehovah, ry olony masina, ka miderà ny anarany masina.

5 Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin'ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.

6 Ary hoy izaho, raha mbola niadana*: tsy hangozohozo mandrakizay aho.

7 Jehovah ô, noho ny fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro; nanafina ny tavanao HIanao , dia ory aho.

8Ianao no nantsoiko, Jehovah ô; ary Jehovah no nifonako hoe:

9 Inona no soa azo amin'ny rako sy ny hidinako any an-davaka? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara ny fahamarinanao va izany?

10 Mihainoa, Jehovah ô, ka mamindrà fo amiko; Jehovah ô, aoka ho Mpamonjy ahy HIanao .

Numéro de page - 238

11 Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana HIanao ; efa nanaisotra ny lamba fisaonakoIanao ka nampisikina ahy fifaliana,

12 Mba hankalazan'ny fanahiko Anao ka tsy hangina. Jehovah Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho.

Numéro de page - 239