TSARAO aho, Jehovah ô, fa mandeha amin'ny fahamarinako aho; ary Jehovah no itokiako, ka tsy miahanahana aho.
2 Diniho aho, Jehovah ô, ka fantaro; izahao toetra ny voako sy ny foko.
3 Fa ny famindram-ponao no eo anoloan'ny masoko; ary mandeha amin'ny fahamarinanao aho.
4 Tsy mba miara-mipetraka amin'ny olon-dratsy aho, na manan-draharaha amin'ny olom-petsy.
5 Halako ny fiangonan'ny mpanao ratsy; ary tsy miara-mipetraka amin'ny ratsy fanahy aho.
6 Manasa ny tanako noho ny fahamarinako aho, ka te-hitoetra eo akaikin'ny alitaranao, Jehovah ô,
7 Mba hanao feo fiderana, ka hilaza ny asanao mahagaga rehetra.
8 Jehovah ô, tiako ny trano itoeranao, dia ny fonenan'ny voninahitrao.
9 Aza mitondra ny fanahiko hiara-maty amin'ny mpanota, na ny aiko amin'ny mpandatsa-drà,
10 Izay misy fitaka eny an-tànany, ary feno kolikoly ny tànany ankavanana.
11 Fa izaho kosa dia mandeha amin'ny fahamarinako; avoty sy amindrao fo aho.
12 Ny tongotro mijoro eo amin'ny tany marina; eo am-piangonana no isaorako an'i Jehovah.
JEHOVAH no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? Jehovah no fiarovana mafy ho an'ny aiko; iza no hangovitako?
2 Raha manatona ahy hihinana ny nofoko ny ratsy fanahy, izay fahavaloko sy rafilahiko, dia izy ihany no tafintohina ka lavo.
3 Na dia misy antokony mitoby hiady amiko aza, tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra amiko aza, dia hatoky ihany aho.
4 Zavatra iray loha no nangatahiko tamin'i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon'i Jehovah amin'ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan'i Jehovah sy mandinika ny tempoliny.
5 Fa hanafina ahy ao an-trano fialofany amin'ny andro fahoriana Izy; hampiery ahy amin'ny fierena ao an-dainy Izy; hanandratra ahy ho eny ambony vatolampy Izy.
6 Koa dia hisandratra ambonin'ny fahavaloko manodidina ahy ny lohako, ka hanatitra fanatitra hihobiana ao an-dainy aho; hihira sy hankalaza an'i Jehovah aho.
7 Mihainoa, Jehovah ô, fa mitaraina mafy aho; ary mamindrà fo amiko, ka valio aho.
8 Raha hoy HIanao : tadiavonareo ny tavako, dia hoy ny navalin'ny foko: Eny, ny tavanao no tadiaviko, Jehovah ô;
9 Aza manafina ny tavanao amiko, aza mandroaka ny mpanomponao an-katezerana; efa famonjena ahy HIanao ; aza manary na mahafoy ahy, ry Andriamanitry ny famonjena ahy.