Fiomanana handray ny mpanjakan'ny voninahitra.


Retour

AN'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.

Numéro de page - 231

2 Fa Izy no nanorina azy tambonin'ny ranomasina. Tambonin'ny rano no nampitoerany azy.

3 Iza no hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah? ary iza no hitoetra ao amin'ny fitoerany masina?

4 Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin'ny lainga, na mianiana hamitaka.

5 Handray fitahiana avy amin'i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin'Andriamanitry ny famonjena azy.

6 Izany no taranaka mitady Azy, izay mitady ny tavanao, dia Jakoba.

7 Asandrato ny lohanareo, ry vavahady, ary misandrata hianareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran'ny mpanjakan'ny voninahitra.

8 Iza izao Mpanjakan'ny voninahitra izao? Jehovah mahery tsitoha, Jehovah mpiady mahery.

9 Asandrato ny lohanareo, ry vavahady; ary manandrata ny lohanareo, ry varavarana fahagola,  mba hidiran'ny Mpanjakan'ny voninahitra.

10 Iza ary izao Mpanjakan'ny voninahitra izao? Jehovah, Tompon'ny maro, Izy no Mpanjakan'ny voninahitra.

Numéro de page - 232