Fitarainana mafy noho ny fahoriana , ary fisaorana noho ny fahafahana , sy filazana ny handrosoan'ny fanjakan'andriamanitra.


Retour

FIVAVAHANA HARIVA

22

ANDRIAMANITRO  ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy HIanao ? Lavitra ny famonjena ahy ny tenin'ny fitarainako.

Numéro de page - 229

2 Andriamanitro ô, miantso aho nony andro, nefa tsy mamaly HIanao ; ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho.

3 Kanefa masina HIanao , Ry mipetraka eo ambonin'ny fideran'ny Isiraely.

4Ianao no nitokian'ny razanay; Natoky izy, ka namonjy azy HIanao .

5Ianao no nitarainany, ka afaka izy;Ianao no nitokiany, ka tsy menatra izy.

6 Ary izaho dia olitra, fa tsy olona, fandatsan'olona sy fanevatevam-bahoaka.

7 Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy; manondro molotra izy sady mihifikifi-doha ka manao hoe:

8 Ankino amin'i Jehovah, dia aoka Izy hamonjy azy; eny, aoka Izy hanafaka azy, raha mankasitraka azy Izy.

9 FaIanao no nampivoaka ahy avy tao an-kibo; nampandry ahy fahizay Ianao , fony aho mbola nampinonoin'ny reniko;

10 Nankinina taminao hatrany am-bohoka aho; hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro HIanao .

11 Aza manalavitra ahy HIanao , fa akaiky ny fahoriana, sady tsy misy mpamonjy.

12 Mitangorona amiko ireo ombilahy be, ny maherin'i Basana manemitra ahy.

13 Misanasana vava amiko izy; eny, liona mamiravira sy mierona izy.

14 Efa rano aidina aho, ka mivaha ny taolako rehetra; tahaka ny savoka ny foko: miempo ato anatiko izy.

15 Maina tahaka ny tavim-bilany ny heriko, ary ny lelako miraikitra amin'ny lanilaniko; ao amin'ny vovoky ny fahafatesana no ametrahanao ahy.

Numéro de page - 230

16 Fa mitangorona amiko ny amboa, ny fiangonan'ny ratsy fanahy manemitra ahy. Manindrona ny tongotro aman-tanako izy

17 Mahisa ny taolako rehetra aho ireo dia mibanjina sady mangarika ahy.

18 Mizara ny fitafiako ho azy izy; ary ny akanjoko ilokàny.

19 Fa HIanao , Jehovah ô, aza manalavitra; ry Heriko ô, faingana hamonjy ahy.

20 Vonjeo amin'ny sabatra ny fanahiko, dia ny hany malalako amin'ny herin'ny amboa.

21 Vonjeo amin'ny vavan'ny liona aho; ary valio ho afaka amin'ny tandroky ny ombimanga.

22 Hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko aho; eo amin'ny fiangonana no hideràko Anao.

23 Hianareo izay matahotra an'i Jehovah, miderà Azy; ry taranak'i Jakoba rehetra, manomeza voninahitra Azy; ary matahora Azy, ry Zanak'Isiraely rehetra.

24 Fa tsy manao tsinontsinona na marikorikon'ny fahorian'ny ory Izy, ary tsy mba manafina ny tavany aminy; fa raha mitaraina aminy ireny, dia mihaino Izy.

25 Avy aminao no ahazoako manao fiderana eo amin'ny fiangonan-dehibe; ny voadiko dia hefaiko eo anatrehan'izay matahotra an'i Jehovah.

26 Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera an'i Jehovah izay mitady azy; ho velona mandrakizay anie ny fonareo.

27 Hahatsiaro ka hiverina ho amin'i Jehovah ny faran'ny tany rehetra; ary hiankohoka eo anatrehanao ny fokon'ny firenen-tsamy hafa.

28 Fa an'i Jehovah ny fanjakana; ary manapaka amin'ny firenen-tsamy hafa Izy.

29 Hihinana sy hiankohoka ny mpanefoefo* rehetra ambonin'ny tany, eo anatrehany no hiondrehan'izay rehetra efa hidina any amin'ny vovoka ka tsy mahavelona ny ainy

Numéro de page - 230

30 Hisy taranaka hanompo Azy; ary ny Tompo dia holazaina amin'ny taranaka ho avy.

31 Hisy ho avy ka hanambara ny fahamarinany, amin'ny olona izay mbola hateraka, fa Izy no nanao izany.

Numéro de page - 231