Ny fahatokiana an'andriamanitra , izay fototry ny soa, na dia tonga aza ny fahoriana sy ny fahafatesana


Retour

AROVY  aho, Andriamanitra ô, fa mialoka aminao aho.

2 Hoy izaho ny amin'i Jehovah: Tompoko HIanao ; tsy misy soa ananako azo oharina aminao;

3 Ary ny amin'ny olona masina ambonin'ny tany, ireo no olona tsara laza izay sitrako indrindra.

4 Ho be ny fahorian'izay manova an'Andriamanitra hatakalony ny hafa. Tsy mba hanatitra ny fanati-drà aidiny aho, ary tsy mba hotononin'ny molotro ny anarany.

Numéro de page - 219

5 Jehovah no anjara lovako sy kapoakako;Ianao no mampaharitra ny anjarako.

6 Ny voafaritra ho anjarako dia eo amin'ny tany mahafinaritra; eny, manan-dova tsara aho.

7 Hisaotra an'i Jehovah Izay manome saina ahy aho; ary na amin'ny alina aza dia mananatra ahy ny foko.

8 Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho.

9 Izany no ifalian'ny foko sy iravoravoan'ny fanahiko; eny, ny nofoko aza hitoetra tsy manana ahiahy.

10 Fa tsy ho foinao ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ny aiko; tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka ao amin'ny lavaka HIanao

11 Hampahafantatra ahy ny lalan'aina HIanao ; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tananao an-kavanana mandrakizay.

Numéro de page - 220