Fitarainana sy fangataham-pamonjena noho ny fireharehan'ny ratsy fanahy


Retour

JEHOVAH  ô, nahoana no mijanona eny lavitra enyIanao ka miery amin'ny andro fahoriana?

2 Noho ny fireharehan'ny ratsy fanahy dia enjehina mafy ny malahelo; azon'ny fahendrena nataony izy ireny.

3 Ny ratsy fanahy mandoka izay irin'ny fony; ary ny mpierina mahafoy sy manamavo an'i Jehovah.

Numéro de page - 214

4 Ny ratsy fanahy mirehareha hoe: Tsy hanadina Izy; eny, "Tsy misy Andriamanitra" no tontalin-keviny.

5 Tanteraka mandrakariva ny alehany; any amin'ny avo lavitra azy ny fitsarànao; ny mpandrafy azy rehetra dia ataony hoe: zinona ireny

6 Hoy izy am-pony: tsy hangozohozo aho, tsy ho azon-doza mandrakizay doria aho.

7 Feno ozona sy fitaka ary fanaovana an-keriny ny vavany; ao ambanin'ny lelany dia misy fampahoriana sy faharatsiana.

8 Mamitsaka amin'ny fanotrehana ao an-tanàna izy, ao an-katakonana no amonoany ny marina; ny masony mikendry ny mahantra.

9 Manotrika ao an-katakonana tahaka ny liona ao amin'ny famitsahany izy; manotrika hisambotra ny malahelo izy; fandrihany amin'ny haratony no fisambony ny malahelo.

10 Torotoro sy mitanondrika ny mahantra ka lavo amin'ny herin'ny ratsy fanahy.

11 Hoy izy anakampony: efa nanadino Andriamanitra, efa nanafina ny tavany Izy ka tsy hahita mandrakizay.

12 Mitsangàna, Jehovah ô; Andriamanitra ô, atsangano ny tananao, aza manadino ny ory.

13 Nahoana no mamingavinga an'Andriamanitra ny ratsy fanahy ka manao anakampo hoe: Tsy hanadina HIanao ?

14 Efa nahita ihany HIanao , satria mijery fahoriana sy alahelo, mba hovalian'ny tananao.Ianao no iononan'ny mahantra;Ianao no Mpamonjy ny kamboty.

15 Torotoroy ny sandrin'ny ratsy fanahy; ary adino ny heloky ny mpanao ratsy mandra-paha-tsy hisy hitanao intsony.

Numéro de page - 215

17 Efa nohenoinao, Jehovah ô, ny irin'ny mpandefitra; mampiomana ny fonyIanao sady mampihaino ny sofinao,

18 Hanomezanao rariny ny kamboty sy ny mahantra, mba tsy handroso hampitahotra intsony ny zanak'olombelona etỳ an-tany.

19-Hanomezanao rariny ny kamboty sy ny mahantra:mba tsy handroso hampitahotra intsony ny zanak’olombelona ety an-tany.

Numéro de page - 216

17 Efa nohenoinao, Jehovah ô, ny irin'ny mpandefitra; mampiomana ny fonyIanao sady mampihaino ny sofinao,

18 Hanomezanao rariny ny kamboty sy ny mahantra, mba tsy handroso hampitahotra intsony ny zanak'olombelona etỳ an-tany.

19-Hanomezanao rariny ny kamboty sy ny mahantra:mba tsy handroso hampitahotra intsony ny zanak’olombelona ety an-tany.

Numéro de page - 216