4
RAHA miantso aho, mamalia ahy, ry Andriamanitry ny fahamarinako ô; Raha tao an-katerena aho, dia nohalalahinao toerana; Mamindrà fo amiko, ka henoy ny fivavako.
2. Ry lehibe, mandra-pahoviana no hataonareo ho henatra ny voninahitro, ary ho tia zava-poana sy hamoron-dainga hianareo?
3. Kanefa aoka ho fantatrareo fa efa navahan'i Jehovah ho Azy ny tsara fanahy; Jehovah hihaino, raha miantso Azy aho.
4. Tezera, fa aza manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mangina.
5. Manatera fanati-pahamarinana,ary matokia an'i Jehovah.
6. Maro no niteny hoe: iza no haneho soa antsika? Asandrato aminay ny fahazavan'ny tavanao, Jehovah ô.
7. Efa nasIanao fifaliana ny foko mihoatra noho ny tamin'ny taona nahabetsahan'ny variny sy ny ranom-boalobony.
8. Handry amin'ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin'izay, satria HIanao , Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy