Ny fahatokian' izay manana an' andriamanitra ho mpiaro , na dia be aza ny fahavalony


Retour

JEHOVAH ô, akory izato hamaroan'ny mampahory ahy! Maro no mitsangana hanohitra ahy.

2. Maro no milaza ny fanahiko hoe: tsy manam-pamonjena amin'Andriamanitra izy.

3. Kanjo HIanao , Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy, Voninahitro sy mpanandratra ny lohako.

4. Amin'ny feoko no iantsoako an'i Jehovah, ary any an-tendrombohiny masina no mamaly ahy Izy.

Numéro de page - 207

5. Izaho nandry ka natory; nifoha aho, satria Jehovah no manohana ahy.

6. Tsy hatahotra olona alinalina aho, izay milahatra manodidina hamely ahy.

7. Mitsangàna, Jehovah ô; vonjeo aho, Andriamanitro ô; fa efa namely ny takolaky ny fahavaloko rehetra HIanao ; ny nifin'ny ratsy fanahy novakivakinao.

8. An'i Jehovah ny famonjena; Ho amin'ny olonao anie ny fitahIanao

Numéro de page - 208